Dia nanangana alitara ho an’ny TOMPO i Noà, ka naka tamin’ireo biby fiompy sy voro-manidina madio rehetra ary nanolotra azy ho sorona dorana manontolo ho an’ny Tompo teo amin’ny alitara.
Josoa 8:30 - DIEM PROTESTANTA Tamin’izany, teo an-tendrombohitra Hebala, dia nanorenan’i Josoa alitara ho an’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’izany dia nanorina alitara ho an’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, teo an-tendrombohitra Ebala i Josoa, Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’izany, teo an-tendrombohitra Hebala, dia nanorenan’i Josoa alitara ho an’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely. Baiboly Katolika Tamin’izay i Jôsoe dia nanangana ôtely ho an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely tao an-tendrombohitra Hebala, Baiboly Protestanta Malagasy ARY tamin’izany Josoa dia nanorina alitara tao an-tendrombohitra Ebala ho an’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, Malagasy Bible Ary tamin'izany Josoa dia nanorina alitara tao an-tendrombohitra Ebala ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, La Bible en Malgache Tamin’izany dia nanorina alitara ho an’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, teo an-tendrombohitra Ebala i Josoa, |
Dia nanangana alitara ho an’ny TOMPO i Noà, ka naka tamin’ireo biby fiompy sy voro-manidina madio rehetra ary nanolotra azy ho sorona dorana manontolo ho an’ny Tompo teo amin’ny alitara.
Alitara tany no hataonareo ho Ahy, ary eo amboniny no hanoloranareo ho Ahy ny ondry aman’osinareo sy ny ombinareo ho sorona dorana manontolo sy ho sorom-pihavanana. Ary Izaho dia ho tonga hitahy anareo amin’ny toerana rehetra izay anehoako ny fanatrehako.
Amin’ny andro hitànareo ny ony Jôrdàna ho any amin’ny tany izay omen’ny TOMPO Andriamanitrareo anareo, dia vato lehibe no hatsanganareo ka holaloranareo sokay;