dia nomba azy kosa ny TOMPO sy naneho hatsaram-po taminy, ka nampahita sitraka azy tamin’ny lehiben’ny fonja.
Josoa 6:27 - DIEM PROTESTANTA Ary nombàn’ny TOMPO i Josoa ka niely laza eran’ny tany izany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary NY TOMPO nomba an’i Josoa ka niely tamin’ny tany rehetra ny lazany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary nombàn’ny TOMPO i Josoa ka niely laza eran’ny tany izany. Baiboly Katolika Nomban’i Iaveh i Jôsoe, ka niely tamin’ny tany rehetra ny lazany. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Jehovah nomba an’i Josoa, ka niely tamin’ny tany rehetra ny lazany. Malagasy Bible Ary Jehovah nomba an'i Josoa, ka niely tamin'ny tany rehetra ny lazany. La Bible en Malgache Ary NY TOMPO nomba an’i Josoa ka niely tamin’ny tany rehetra ny lazany. |
dia nomba azy kosa ny TOMPO sy naneho hatsaram-po taminy, ka nampahita sitraka azy tamin’ny lehiben’ny fonja.
Niaraka taminao Aho teo amin’izay nalehanao rehetra, ka nandripaka ny fahavalonao rehetra teo anoloanao, ary hataoko lehibe ny lazanao tahaka ny an’ireo olona ambony eto an-tany.
Dia niely eran’ny tany rehetra ny lazan’i Davida, ary nataon’ny TOMPO matahotra an’i Davida ny firenena rehetra.
Ambony toerana tao an-dapa manko i Môrdôkay sady niely laza eran’ny faritany rehetra, satria nisondrotra hatrany ny lehilahy.
Satria na aiza na aiza iangonan’olona roa na telo amin’ny anarako, dia eo afovoany Aho.
sady ampianaro hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho miaraka aminareo isan’andro vaky mandra-pahatongan’ny fiafaran’izao tontolo izao.
Ary niely eran’i Siria manontolo ny lazany, ka nentin’ny olona teo aminy avokoa izay mety ho marary ianjadian’ny aretina sy fanaintainana isan-karazany, dia ny azon’ny demony sy ny mararin’ny androbe ary ny malemy ka nositraniny avokoa.
Homba anareo rehetra anie ny fahasoavan’i Jesoa Kristy Tompo sy ny fitiavan’Andriamanitra ary ny firaisana avy amin’ny Fanahy Masina!
Mahereza sy matanjaha! Aza matahotra na manahy an’ireo firenena ireo, satria ny TOMPO Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo ary tsy handao anareo na hahafoy anareo.
Kanefa dia nijoro teo anilako ny Tompo ka nanome hery ahy mba hahatontosako soa aman-tsara ny fitorian-teny sady handrenesan’ireo rehetra hafa firenena izany; ary dia afaka teo am-bavan’ny liona aho.
Ry Josoa, tsy misy olona hahatohitra anao mandritra ny androm-piainanao rehetra, fa homba anao Aho tahaka izay efa nombako an’i Mosesy. Tsy hanary anao Aho na handao anao na oviana na oviana.
Moa tsy efa nandidy anao ve Aho mba ho sahy sy hahery? Koa aza matahotra na mivadi-po fa Izaho TOMPO Andriamanitrao no homba anao amin’izay rehetra alehanao.
Ary ny vaovao momba ny faharavàn’i Hay dia ren’ireo mpanjaka izay teny amin’ny faritra rehetra andafy andrefan’i Jôrdàna; teny amin’ny havoana sy teny amin’ny lemak’i Sefelà ary teny amin’tany rehetra amoron’ny Ranomasina Mediteranea ka hatrany hatrany Libano. Koa nifamory ny mpanjaka hetita sy amôrita mbamin’ny mpanjaka kanahanita sy perizita ary ny mpanjaka hivita sy jebosita
Ny mponina tao Gibehôna dia isan’ny Hivita; kanefa, nony nandre an’izay nataon’i Josoa tamin’i Jerikao sy i Hay ry zareo,
Dia novalian’ireo hoe: –Avy any an-tany lavitra be izahay, tompoko, no tonga noho ny lazan’ny TOMPO Andriamanitrareo; efa renay manko izay rehetra nataony tany Ejipta
Ny TOMPO mihitsy no efa nomba ny olon’i Joda tamin’izany, ka azony ny faritra be tendrombohitra. Nefa tsy voaroakany ireo mponin’ny tany lemaka, satria nanana kalesy vy ireny.
ary fahombiazana hatrany no azon’i Davida tamin’izay rehetra nataony, satria nomba azy ny TOMPO.
Noho izany, ny TOMPO Andriamanitr’i Israely dia miteny hentitra hoe: Efa nampanantenaiko fa ny fianakavianao sy ny tera-drainao no ho mpisoroko mandrakizay; nefa ankehitriny dia laviko tanteraka, teny hentitra avy amiko izany; fa izay manome voninahitra Ahy no homeko voninahitra, ary izay manimbazimba Ahy no ho afa-baràka.