Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 39:21 - DIEM PROTESTANTA

21 dia nomba azy kosa ny TOMPO sy naneho hatsaram-po taminy, ka nampahita sitraka azy tamin’ny lehiben’ny fonja.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

21 Nomba an’i Josefa anefa NY TOMPO ka namindra fo taminy ary nampahita fitia azy teo imason’ny mpiambina ny tranomaizina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

21 dia nomba azy kosa ny TOMPO sy naneho hatsaram-po taminy, ka nampahita sitraka azy tamin’ny lehiben’ny fonja.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

21 Nomban’i Iaveh anefa i Josefa sady nanamparany ny hatsaram-pony, ary nampahazoany fitia tamin’ny mpitandrina ny tranomaizina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

21 Nefa Jehovah nomba an’i Josefa sy namindra fo taminy ka nampahita fitia azy teo imason’ny mpitandrina ny trano-maizina.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

21 Nefa Jehovah nomba an'i Josefa sy namindra fo taminy ka nampahita fitia azy teo imason'ny mpitandrina ny trano-maizina.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

21 Nomba an’i Josefa anefa NY TOMPO ka namindra fo taminy ary nampahita fitia azy teo imason’ny mpiambina ny tranomaizina.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 39:21
23 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’izany fotoana izany dia nankany amin’i Abrahama i Abimelèka, niaraka tamin’i Pikôla lehiben’ny tafiny, ka nanao taminy hoe: –Homba anao anie Andriamanitra amin’izay rehetra hataonao.


Ary ny TOMPO nomba an’i Jôsefa izay nanjary lehilahy nambinina. Nitoetra tao an-tranon’ilay Ejiptianina tompony izy;


ary hitan’ity tompony fa nombàn’ny TOMPO i Jôsefa ka nampahombiaziny avokoa izay rehetra nataony.


Ary nahafaly fatratra ny tompony i Jôsefa ka nataony mpiasa manokana; dia nomeny hiandraiketany ny tao an-tranony sy izay nananany rehetra.


ka nampanao azy an-tranomaizina; ny fonenan’ilay lehiben’ny mpiambina no nisy io tranomaizina io, dia ny fonja izay nigadran’i Jôsefa.


mandra-pahatanterahan’ny zavatra nambarany; ny tenin’ny TOMPO no naneho azy ho tsy manan-tsiny!


mba hisarika ny andriambaventy hanaraka ny heviny sy hanolo-pahendrena an’ireo loholom-bahoaka.


Izay rehetra namabo ny razanay dia nataony nahay nangoraka azy.


Nataon’ny TOMPO nahita sitraka teo imason’ny Ejiptianina ny Israelita. I Mosesy koa dia lehilahy najaina fatratra tany Ejipta na teo amin’ny tandapan’ny Farao na teo amin’ny vahoaka Ejiptianina.


Nataon’ny TOMPO nahazo sitraka tamin’ny Ejiptianina ka nahazo izay rehetra nangatahiny; ary nofoanan’izy ireo mihitsy ny teo an-tanan’ny Ejiptianina.


Homeko tombontsoa eo imason’ny Ejiptianina ity vahoaka ity ka tsy hitondra tanam-polo mody.


Rehefa sitraky ny TOMPO ny fitondrantenan’ny olona, na dia ny fahavalony aza ampihavaniny aminy.


Aza matahotra ianao fa miaraka aminao Aho, aza miherikerika foana fa Izaho no Andriamanitrao. Mampahery anao Aho ary mamonjy anao tokoa; ny tanan-kavanako manafaka no anohanako anao.


Raha mamakivaky ny rano ianao, dia homba anao Aho; raha miampita ny ony ianao, dia tsy hanafotra anao ireny; raha mandeha eo anivon’ny afo ianao, dia tsy ho may akory fa tsy handoro anao ny lelafo.


Ary nataon’Andriamanitra nahazo fitia sy indrafo teo anatrehan’ny lehiben’ny tandapa i Daniela.


Dia niteny tamin’ny mpanjaka i Daniela hoe: –Ho ela velona anie ianao, ry mpanjaka!


Amin’izany rehetra izany anefa, dia tena mpandresy tanteraka isika, amin’ny alalan’Ilay efa tia antsika.


Eny, raha izany no sitrapon’Andriamanitra, dia aleo mitondra fahoriana amin’ny fanaovan-tsoa toy izay amin’ny fanaovan-dratsy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra