Ary izao no nambaran’i Labàna: –Ity antontam-bato ity dia vavolombelona eo amiko sy aminao androany. Izany no niantsoana azy ho Galeheda, izany hoe antontam-bato vavolombelona.
Josoa 22:27 - DIEM PROTESTANTA ho vavolombelona aminay sy aminareo ary amin’ny taranatsika mifandimby kosa io alitara io fa zonay ny hanao fanompoana eo anatrehan’ny TOMPO amin’ny fanolorana sorona dorana manontolo sy fanatitra hohanina ary sorom-pihavanana. Amin’izay ny taranakareo, any aoriana any, dia tsy ho afa-milaza amin’ny taranakay hoe: «Tsy misy anjaranareo amin’ny TOMPO». Baiboly Protestanta Malagasy 2011 fa mba ho vavolombelona ho amintsika sy ny taranatsika mandimby antsika, hanaovanay ny fanompoana NY TOMPO eo anatrehany amin’ny hanolorana fanatitra dorana manontolo sy fanatitra hafa alatsa-dra ary fanati-pihavanana mba tsy holazain’ny taranakareo amin’ny taranakay rahatrizay hoe: Tsy manana anjara amin’NY TOMPO ianareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ho vavolombelona aminay sy aminareo ary amin’ny taranatsika mifandimby kosa io alitara io fa zonay ny hanao fanompoana eo anatrehan’ny TOMPO amin’ny fanolorana sorona dorana manontolo sy fanatitra hohanina ary sorom-pihavanana. Amin’izay ny taranakareo, any aoriana any, dia tsy ho afa-milaza amin’ny taranakay hoe: «Tsy misy anjaranareo amin’ny TOMPO». Baiboly Katolika fa mba ho vavolombelona ho anay sy ianareo, sy ny fara mandimby antsika, fa izahay dia manompo an’i Iaveh eo anatrehany amin’ny sorona doranay, sy ny soronay, ary ny sorom-pihavananay, mba tsy hilazan’ny taranakareo amin’ny taranakay rahatrizay hoe: Tsy manana anjara amin’i Iaveh ianareo. Baiboly Protestanta Malagasy fa mba ho vavolombelona ho amintsika sy ny taranatsika mandimby antsika, hanaovanay ny fanompoana an’i Jehovah eo anatrehany amin’ny hanaterana fanatitra odorana sy fanatitra hafa alatsa-dra ary fanati-pihavanana mba tsy holazain’ny taranakareo amin’ny taranakay rahatrizay hoe: Tsy manana anjara amin’i Jehovah hianareo. Malagasy Bible fa mba ho vavolombelona ho amintsika sy ny taranatsika mandimby antsika, hanaovanay ny fanompoana an'i Jehovah eo anatrehany amin'ny hanaterana fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ary fanati-pihavanana mba tsy holazain'ny taranakareo amin'ny taranakay rahatrizay hoe: Tsy manana anjara amin'i Jehovah ianareo. La Bible en Malgache fa mba ho vavolombelona ho amintsika sy ny taranatsika mandimby antsika, hanaovanay ny fanompoana NY TOMPO eo anatrehany amin’ny hanolorana fanatitra dorana manontolo sy fanatitra hafa alatsa-dra ary fanati-pihavanana mba tsy holazain’ny taranakareo amin’ny taranakay rahatrizay hoe: Tsy manana anjara amin’NY TOMPO ianareo. |
Ary izao no nambaran’i Labàna: –Ity antontam-bato ity dia vavolombelona eo amiko sy aminao androany. Izany no niantsoana azy ho Galeheda, izany hoe antontam-bato vavolombelona.
Ity antontam-bato ity sy io tsangambato io no vavolombelona amintsika, ka izaho mianiana tsy hihoatra hankany aminao hanisy ratsy anao ary ianao mianiana tsy hihoatra hankaty amiko hanisy ratsy ahy.
Amin’izany andro izany, dia hisy alitara iray hatokana ho an’ny TOMPOn’izao rehetra izao ao afovoan’ny tany Ejipta ary tsangambato iray ho an’ny TOMPO any amin’ny sisintaniny.
Amin’izay, ilay toerana hofidin’ny TOMPO Andriamanitrareo hipetrahan’ny voninahiny no hitondranareo ny zavatra rehetra nandidiako anareo: dia ny sorona dorana manontolo sy ny sorom-pihavanana ataonareo, ny fahafolon-karenareo, ny fitia tsy mba hetra foinareo, ny zavatra rehetra voafantinareo mba hanalana ny voadinareo tamin’ny TOMPO.
Ary nony tonga tao Gelilôta teo amoron’i Jôrdàna sady mbola tao amin’ny tany Kanahàna izy telo tonta, dia nanorina alitara lehibe mahatalanjona teo amoron’ny renirano.
Izany no nahatonga anay hanapa-kevitra hanao io alitara io, saingy tsy hanaterana sorona dorana manontolo na sorona hafa;
Raha sendra ka hambarany aminay na amin’ny taranakay izany rahatrizay, dia hovaliana hoe: «Jereo io alitara nataon’ny razanay io fa mitovy amin’ny alitaran’ny TOMPO; saingy tsy natao hanolorana sorona dorana manontolo na fanatitra hohanina izany, fa ho vavolombelona aminay sy aminareo».
Ary hoy kosa ny Reobenita sy Gadîta hoe: –Ity alitara ity no vavolombelona aminay sy aminareo fa ny TOMPO no Andriamanitra. Dia nataony hoe «Vavolombelona» no anaran’izany alitara izany.
Avy eo dia hoy i Josoa tamin’ny vahoaka rehetra: –Jereonareo ity vato ity fa izy no ho vavolombelona amintsika satria efa nandre ny teny rehetra nolazain’ny TOMPO tamintsika; ary ho vavolombelona aminareo koa izy mba tsy hivadihanareo amin’Andriamanitrareo!
Naka vato i Samoela ka natsangany teo anelanelan’i Mitsepà sy i Sèna izany ary nomeny anarana hoe Ebena-Hezera na «Vatom-pamonjena», fa hoy izy hoe: «Efa namonjy antsika hatretỳ ny TOMPO.»