Josoa 24:27 - DIEM PROTESTANTA27 Avy eo dia hoy i Josoa tamin’ny vahoaka rehetra: –Jereonareo ity vato ity fa izy no ho vavolombelona amintsika satria efa nandre ny teny rehetra nolazain’ny TOMPO tamintsika; ary ho vavolombelona aminareo koa izy mba tsy hivadihanareo amin’Andriamanitrareo! Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201127 Dia hoy i Josoa tamin’ny vahoaka rehetra: Indro, io vato io no ho vavolombelona amintsika fa efa nahare ny teny rehetra nolazain’NY TOMPO tamintsika io, dia ho vavolombelona aminareo io, fandrao handainga amin’Andriamanitrareo ianareo. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara27 Avy eo dia hoy i Josoa tamin’ny vahoaka rehetra: –Jereonareo ity vato ity fa izy no ho vavolombelona amintsika satria efa nandre ny teny rehetra nolazain’ny TOMPO tamintsika; ary ho vavolombelona aminareo koa izy mba tsy hivadihanareo amin’Andriamanitrareo! Jereo ny tokoBaiboly Katolika27 Dia hoy i Jôsoe tamin’ny vahoaka rehetra: «Indro ity vato ity no ho vavolombelona amintsika, fa efa nandre ny teny rehetra nolazain’i Iaveh tamintsika io; ho vavolombelona aminareo koa io, mba tsy handavanareo ny Andriamanitrareo.» Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy27 Dia hoy Josoa tamin’ny vahoaka rehetra: Indro, io vato io ho vavolombelona amintsika; fa efa nahare ny teny rehetra nolazain’i Jehovah tamintsika io, dia ho vavolombelona aminareo io, fandrao handainga amin’Andriamanitrareo hianareo. Jereo ny tokoMalagasy Bible27 Dia hoy Josoa tamin'ny vahoaka rehetra; Indro, io vato io ho vavolombelona amintsika; fa efa nahare ny teny rehetra nolazain'i Jehovah tamintsika io, dia ho vavolombelona aminareo io, fandrao handainga amin'Andriamanitrareo ianareo. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache27 Dia hoy i Josoa tamin’ny vahoaka rehetra: Indro, io vato io no ho vavolombelona amintsika fa efa nahare ny teny rehetra nolazain’NY TOMPO tamintsika io, dia ho vavolombelona aminareo io, fandrao handainga amin’Andriamanitrareo ianareo. Jereo ny toko |
Rehefa hianjadian’ny zava-dratsy amam-pahoriana maro ity vahoaka ity, dia ho vavolombelona hiampanga azy izao tononkira izao, satria tsy ho afaka eo am-bavan’ny taranany. Fantatro manko ny fisainany, na dia izao ankehitriny alohan’ny hitondrako azy any amin’ny tany izay nianianako homena azy izao aza.