Josoa 19:32 - DIEM PROTESTANTA Ny anjara navoakan’ny antsapaka fahenina dia azon’ny taranak’i Naftalỳ ho an’ireo tarika ao anatiny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny anjara fahenina azo tamin’ny antsapaka dia an’ny taranak’i Naftaly isam-pianakaviany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny anjara navoakan’ny antsapaka fahenina dia azon’ny taranak’i Naftalỳ ho an’ireo tarika ao anatiny. Baiboly Katolika Ny taranak’i Neftalì, araka ny fianakaviany, no nahazo ny anjara fahenina, tamin’ny loka. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny loka fahenina dia an’ny taranak’i Naftaly isam-pokony. Malagasy Bible Ary ny loka fahenina dia an'ny taranak'i Naftaly isam-pokony. La Bible en Malgache Ny anjara fahenina azo tamin’ny antsapaka dia an’ny taranak’i Naftaly isam-pianakaviany. |
i Ahimahatsa no tao amin’ny faritr’i Naftalỳ (izy koa dia nanambady ny zanakavavin’i Salômôna nantsoina hoe Basemata);
Antsapaka anefa no hizaràna ny tany, na dia araka ny habetsahan’ny olona isam-poko, aza.
Ary nilaozany i Nazareta ka lasa Izy niorim-ponenana tao Kafarnahòma, tanàna amoron’ny farihin’i Galilea, anatin’ny faritanin’i Zebolòna sy i Naftalỳ.
Ny amin’ny taranak’i Naftalỳ, dia hoy i Mosesy hoe: «Ry fokon’i Naftalỳ, tototra tombontsoa ianao sady heniky ny fitahian’ny TOMPO. Aoka hitatra miankandrefana sy mianatsimo ny faritany anananao!»
Ireo tanàn-dehibe ireo miampy ny tanàna kely miankina aminy no zaratany nolovan’ny fokon’i Asera ho an’ireo tarika ao anatiny.
Ny sisin-taniny, lafy avaratra, dia miainga hatreo Helefa, hatreo amin’ilay oaka akaikin’i Tsahananima, dia mandalo an’i Adamỳ-Nekeba sy i Jabneela, ka tonga hatrany Lakôma ary miafara eo Jôrdàna.
Ny taranak’i Naftalỳ dia tsy naharoaka ny mponina tao Bety-Semesy sy Bety-Hanata; ka nonina teo anivon’ny Kanahanita izay nipetraka tao ireo Naftalita saingy nampanompo azy.
Indray andro i Debôrà dia nampiantso an’i Baràka zanakalahin’i Abinôhama; nampiantsoiny avy any Kedesa any amin’ny faritra naftalîta izy ka nilazany hoe: –Izao no andidian’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely anao: Mandehana maka vatan-dehilahy andiany folo avy amin’ny fokon’i Naftalỳ sy i Zebolòna, ka tariho any an-tendrombohitra Tabôra.