Tsy mba misy fanaovan-tsikidy eo amin’ny taranak’i Jakôba; tsy mba misy fankatovana eo amin’ny vahoaka israelita. Fa amin’izay fotoana sahaza no hampahafantarana azy ny zavatra ataon’Andriamanitra.
Josoa 13:22 - DIEM PROTESTANTA I Balahama mpimasy, ilay zanakalahin’i Behôra, dia isan’ireo novonoin’ny Israelita tamin’izay. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary i Balama, mpisikidy, zanak’i Beora, dia anisan’ireo izay novonoin’ny Zanak’Israely tamin’ny sabatra. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Balahama mpimasy, ilay zanakalahin’i Behôra, dia isan’ireo novonoin’ny Israelita tamin’izay. Baiboly Katolika Anisan’ireo novonoin’ny zanak’i Israely tamin’ny sabatra koa i Balaama, mpanao hitsakandro, zanak’i Beôra. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Balama, mpanao fankatovana, zanak’i Beora, dia novonoin’ny Zanak’Isiraely tamin’ny sabatra niaraka tamin’izay novonoiny. Malagasy Bible Ary Balama, mpanao fankatovana, zanak'i Beora, dia novonoin'ny Zanak'Isiraely tamin'ny sabatra niaraka tamin'izay novonoiny. La Bible en Malgache Ary i Balama, mpisikidy, zanak’i Beora, dia anisan’ireo izay novonoin’ny Zanak’Israely tamin’ny sabatra. |
Tsy mba misy fanaovan-tsikidy eo amin’ny taranak’i Jakôba; tsy mba misy fankatovana eo amin’ny vahoaka israelita. Fa amin’izay fotoana sahaza no hampahafantarana azy ny zavatra ataon’Andriamanitra.
Hitan’i Balahama fa sitraky ny TOMPO ny hitsodrano an’ireo Israelita, dia tsy nandeha nisikidy toy ny teo aloha intsony izy, fa nitodika kosa nanatrika ny tany taniefitra fotsiny.
koa ankehitriny, handeha aho hody any amin’ny fireneko. Nefa alohan’izany, dia avia fa tiako hampahafantarina anao izay hataon’ny Israelita amin’ny vahoakanao indray andro any.
Matin’ny Israelita koa ny mpanjaka midianita dimy lahy, dia i Evỳ sy i Rekema, i Tsoro sy i Hora ary i Reba. Novonoiny ho faty tamin’ny sabatra ihany koa i Balahama zanakalahin’i Behôra.
I Jôrdàna sy ny morontsiraka no sisin-tanin’ny Reobenita, ao andrefana. Ireo tanàn-dehibe voatanisa ireo, miampy ny tanàna kely miankina aminy, no zaratany nolovan’ny Reobenita ho an’ireo tarika ao anatiny.
Efa niala tamin’ny lala-mahitsy izy ireo ka nivily nanaraka ny lalana efa nizoran’i Balahàma, zanakalahin’i Behôra: i Balahàma dia nankamamy ny tambin’ny asa ratsiny,
Hahita loza ireo, fa nizotra tamin’ny lalana efa nizoran’i Kaina, nihitsoka tamin’ny hadisoana efa nahavoa an’i Balahàma mba hahazoana tamby, ary efa ringana tamin’ny fikomiana nataony toy ny naharingana an’i Kôrà.
Dia voasambotra ilay biby sy ilay mpaminany sandoka, izay nanao zava-mampitolagaga teo anatrehan’ilay biby mba hoenti-mamitaka ireo nandray ny mariky ny biby sy nivavaka tamin’ny sariny; ary natsipy velona ho any amin’ny farihy afo arehi-tsolifara ilay biby sy ilay mpaminany sandoka.
Saingy izao no zavatra kely anomezako tsiny anao: misy eo aminao izay mifikitra amin’ny fampianaran’i Balahàma, ilay nanome fo an’i Balàka hanisy fandrika mitaona ny Israelita amin’ny fahotana; ary dia voatarika tokoa ireo Israelita hihinan-kena natao fanatitra tamin’ny sampy sy hijangajanga.