Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Josoa 13:1 - DIEM PROTESTANTA

Nony efa tena antitra i Josoa, dia nitenenan’ny TOMPO hoe: –Efa tena antitra ianao ity, nefa midadasika tokoa ny faritany sisa tsy mbola azo:

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Efa zokiolona sady nandroso fahanterana i Josoa ka hoy NY TOMPO taminy: Efa zokiolona ianao ka mandroso fahanterana nefa be dia be ny tany sisa tsy mbola azo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nony efa tena antitra i Josoa, dia nitenenan’ny TOMPO hoe: –Efa tena antitra ianao ity, nefa midadasika tokoa ny faritany sisa tsy mbola azo:

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Efa antitra sy efa nandroso fahanterana i Jôsoe: ka hoy i Iaveh taminy: «Ianao ity efa antitra, efa mandroso fahanterana nefa ny tany lehibe dia lehibe no mbola sisa halaina.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ARY Josoa dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana, dia hoy Jehovah taminy: Efa zoki-olona hianao ka mandroso fahanterana, ary be dia be ny tany sisa tsy mbola azo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Josoa dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana, dia hoy Jehovah taminy: Efa zoki-olona ianao ka mandroso fahanterana, ary be dia be ny tany sisa tsy mbola azo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Efa zokiolona sady nandroso fahanterana i Josoa ka hoy NY TOMPO taminy: Efa zokiolona ianao ka mandroso fahanterana nefa be dia be ny tany sisa tsy mbola azo.

Jereo ny toko



Josoa 13:1
12 Rohy Ifampitohizana  

Samy antitra i Abrahama sy i Sarà fa samy nandroso taona; ary i Sarà dia efa nitsahatra tamin’ny fadimbolana.


Efa antitra sy konka i Davida mpanjaka; ka na dia norakofan-damba aza izy, dia tsy nety nafana.


ka hitsontsorika hatrany Jôrdàna ary hiafara any amin’ny Ranomasina Maty. «Izany no taninareo araka ny sisin-tany manodidina azy.»


mba hamepetra ny Israelita hoe: –Rehefa tafiditra any amin’ny tany Kanahàna ianareo, dia izao no tany izay ho anjara lovanareo araka ireto sisin-tany ireto:


Tsy nanan-janaka anefa izy roa satria momba i Elizabeta sady efa samy zokiolona izy mivady.


Ny TOMPO Andriamanitrareo mihitsy no hita eo alohanareo, Izy no handringana ireo firenena ireo tsy ho eo anoloanareo, mba hahazoanareo ny taniny; ary i Josoa mihitsy no hita eo alohanareo araka izay efa voalazan’ny TOMPO.


dia ny faritany manontolo misy ny Filistinina sy ny Gesorita,


Efa 45 taona izao no nanomezan’ny TOMPO izany baiko izany tamin’i Mosesy fony ny Israelita namakivaky ny taniefitra. Hatramin’izay aho mbola novelomin’ny TOMPO araka ny teniny, ka jereo ankehitriny fa efa 85 taona aho izao.


Ka hoy i Josoa tamin’ireo Israelita ireo: –Mandra-pahoviana no hiandrasanareo tsy handeha handray ny tany izay nomen’ny TOMPO Andriamanitry ny razanareo anareo?


Ary ny TOMPO dia nandidy an’i Josoa,


Taorian’izany zavatra izany, dia maty teo amin’ny faha-110 taonany i Josoa zanakalahin’i Nona sady mpanompon’ny TOMPO.