Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 18:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Samy antitra i Abrahama sy i Sarà fa samy nandroso taona; ary i Sarà dia efa nitsahatra tamin’ny fadimbolana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 I Abrahama sy i Saraha dia samy efa zokiolona ary nandroso fahanterana, sady efa nitsahatra tamin’ny fombam-behivavy i Saraha.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Samy antitra i Abrahama sy i Sarà fa samy nandroso taona; ary i Sarà dia efa nitsahatra tamin’ny fadimbolana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Ary i Abrahama sy i Sarà dia efa samy antitra, ela andro niainana; ary i Sarà dia efa nitsaha-potoana,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary Abrahama sy Saraha dia samy efa zoki-olona ka nandroso fahanterana, ary efa nitsahatra tamin’ny fombam-behivavy Saraha.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary Abrahama sy Saraha dia samy efa zoki-olona ka nandroso fahanterana, ary efa nitsahatra tamin'ny fombam-behivavy Saraha.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 I Abrahama sy i Saraha dia samy efa zokiolona ary nandroso fahanterana, sady efa nitsahatra tamin’ny fombam-behivavy i Saraha.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 18:11
14 Rohy Ifampitohizana  

Dia niankohoka tamin’ny tany i Abrahama sady nihomehy, satria hoy izy anakampo hoe: «Moa mbola hisy zaza teraka avy amin’ny lehilahy zato taona ve? Ary i Sarà efa sivifolo taona ve dia mbola hiteraka?»


Efa 99 taona i Abrahama, raha noforana;


Ary hoy koa izy hoe: –Iza moa no afaka hilaza amin’i Abrahama fa hampinono zaza i Sarà? Kanjo niteraka zazalahy ho azy tamin’ny fahanterany aho.


Ary efa tena antitra be i Abrahama, sady notahîn’ny TOMPO tamin’ny zavatra rehetra.


Ary i Sarà vadiny, na dia efa antitra aza, dia niteraka zazalahy taminy; ary izy io no namindrany ny fananany rehetra.


Dia hoy i Rahely tamin’ny rainy: –Azafady eo imasonao, tompoko, fa tsy afa-mitsangana eo anatrehanao aho fa tonga fotoana. Dia nikaroka i Labàna fa tsy nahita ireo sampy.


«Raha misy vehivavy mararin’ny fadimbolany ka voan’ny fitsihan-dra avy amin’ny taovam-pivaviana, dia haloto izy mandritra ny fito andro. Izay olona mahakasika azy dia haloto mandra-paharivan’ny andro.


Fa hoy i Zakarià tamin’ny anjely: –Fomba ahoana no hahazoako antoka an’izany? Izaho ity efa antitra ary ny vadiko efa zokiolona ihany koa.


Ary indro i Elizabeta havanao efa mitoe-jaza koa, na iny izy antitra iny aza, ary efa bevohòka enim-bolana izao ilay natao hoe momba.


Tsy nanan-janaka anefa izy roa satria momba i Elizabeta sady efa samy zokiolona izy mivady.


Noheverin’i Abrahama fa Andriamanitra dia mahay manangana an’i Itsehàka avy any amin’ny maty; ka dia noraisin’i Abrahama indray ny zanany, ary tandindon-javatra izany.


Nony efa tena antitra i Josoa, dia nitenenan’ny TOMPO hoe: –Efa tena antitra ianao ity, nefa midadasika tokoa ny faritany sisa tsy mbola azo:


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra