Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Josoa 13:1 - Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY Josoa dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana, dia hoy Jehovah taminy: Efa zoki-olona hianao ka mandroso fahanterana, ary be dia be ny tany sisa tsy mbola azo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Efa zokiolona sady nandroso fahanterana i Josoa ka hoy NY TOMPO taminy: Efa zokiolona ianao ka mandroso fahanterana nefa be dia be ny tany sisa tsy mbola azo.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

1 Nony efa tena antitra i Josoa, dia nitenenan’ny TOMPO hoe: –Efa tena antitra ianao ity, nefa midadasika tokoa ny faritany sisa tsy mbola azo:

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Nony efa tena antitra i Josoa, dia nitenenan’ny TOMPO hoe: –Efa tena antitra ianao ity, nefa midadasika tokoa ny faritany sisa tsy mbola azo:

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Efa antitra sy efa nandroso fahanterana i Jôsoe: ka hoy i Iaveh taminy: «Ianao ity efa antitra, efa mandroso fahanterana nefa ny tany lehibe dia lehibe no mbola sisa halaina.»

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary Josoa dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana, dia hoy Jehovah taminy: Efa zoki-olona ianao ka mandroso fahanterana, ary be dia be ny tany sisa tsy mbola azo.

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 13:1
12 Rohy Ifampitohizana  

Ary Abrahama sy Saraha dia samy efa zoki-olona ka nandroso fahanterana, ary efa nitsahatra tamin’ny fombam-behivavy Saraha.


ARY Davida mpanjaka dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana; ary norakofana lamba izy, fa tsy nety nafana.


dia hidina ihany indray hatrany Jordana, ka dia hihatra amin’ny Ranomasin-tsira. Izany no ho taninareo araka ny fari-taniny manodidina.


Mandidia ny Zanak’Isiraely hoe: Raha tonga any amin’ny tany Kanana hianareo, dia izao no tany izay ho azonareo ho lova, dia ny tany Kanana araka izay fari-taniny.


Ary tsy nanan-janaka izy, fa momba Elizabeta; ary samy efa antitra izy mivady.


Jehovah Andriamanitrao no hita eo alohanao, ary Izy no handringana ireo firenena ireo tsy ho eo anoloanao, ka hahazo ny taniny hianao; ary Josoa no hita eo alohanao, araka izay efa nolazain’i Jehovah.


Izao no tany sisa tsy mbola azo: Ny tany rehetra an’ny Filistina sy ny Gesorita rehetra,


Ary ankehitriny, indro, efa namelona ahy Jehovah, araka izay nolazainy hatramin’ny dimy amby efa-polo taona lasa izay, dia hatramin’ny nilazan’i Jehovah izany teny izany tamin’i Mosesy no ho mankatỳ, raha mbola nandehandeha tany an-efitra ny Isiraely; ary ankehitriny, indro, efa dimy amby valo-polo taona aho izao.


Dia hoy Josoa tamin’ny Zanak’Isiraely: Mandra-pahoviana no hiahotrahoranareo tsy hiditra handova ny tany izay omen’i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anareo?


ARY Jehovah niteny tamin’i Josoa ka nanao hoe:


ARY rehefa afaka izany zavatra izany, dia maty Josoa, zanak’i Nona, mpanompon’i Jehovah, rehefa folo amby zato taona ny androny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra