Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Josoa 10:37 - DIEM PROTESTANTA

Azony ny tanàna ka novonoiny tamin’ny sabatra ny mpanjakany sy ny olona rehetra tao. Azony koa ireo tanàna rehetra manodidina an’i Hebrôna, ary naringany avokoa ny olona rehetra tao ka tsy nisy niangana; tahaka izay nataony tamin’i Heglôna mihitsy izany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

dia azony koa izy ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany sy ny tanànany rehetra ary ny olona rehetra tao. Tsy nasiany niangana na dia iray akory aza, tahaka izay rehetra efa nataony tamin’i Eglona; nataony zavatra voaozona avokoa izy sy ny olona rehetra tao.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Azony ny tanàna ka novonoiny tamin’ny sabatra ny mpanjakany sy ny olona rehetra tao. Azony koa ireo tanàna rehetra manodidina an’i Hebrôna, ary naringany avokoa ny olona rehetra tao ka tsy nisy niangana; tahaka izay nataony tamin’i Heglôna mihitsy izany.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Nony afany dia nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany ary ny tanàna momba azy rehetra mbamin’izay manana aina rehetra tao, tsy navelany hisy afa-nandositra akory, tahaka ny nanaovan’i Jôsoe an’i Eglôna, fa nataony anatema izy sy ny manana aina rehetra tao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

dia afany koa izy, ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany sy ny tanànany rehetra ary ny olona rehetra tao; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza, tahaka izay rehetra efa nataony tamin’i Eglona; fa naringany avokoa izy sy ny olona rehetra tao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

dia afany koa izy, ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany sy ny tanànany rehetra ary ny olona rehetra tao; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza, tahaka izay rehetra efa nataony tamin'i Eglona; fa naringany avokoa izy sy ny olona rehetra tao.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

dia azony koa izy ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany sy ny tanànany rehetra ary ny olona rehetra tao. Tsy nasiany niangana na dia iray akory aza, tahaka izay rehetra efa nataony tamin’i Eglona; nataony zavatra voaozona avokoa izy sy ny olona rehetra tao.

Jereo ny toko



Josoa 10:37
8 Rohy Ifampitohizana  

Koa resin’i Josoa tanteraka tamin’ny lelan-tsabatra ny tafika hamalekita.


Azon’i Josoa tamin’izany andro izany koa ny tanàna Makedà, ka nasainy novonoina tamin’ny sabatra ny mpanjakany sady nasainy naringana avokoa ny olona rehetra tao ka tsy nisy niangana. Tahaka izay nataon’i Josoa tamin’ny mpanjakan’i Jerikao no nataony tamin’ny mpanjakan’i Makedà.


Azony androtr’io ihany ny tanàna ka naringany sabatra avokoa ny olona rehetra tao; tahaka izay nataony tamin’i Lakisy ihany izany.


Dia niala tao Heglôna i Josoa sy ny Israelita niaraka taminy ka niakatra ho any Hebrôna, ary nanafika azy.


Avy teo dia niverina ho any Debira i Josoa sy ny Israelita rehetra niaraka taminy ka nanafika azy.


Azony ny tanàna sy ny mpanjakany mbamin’ireo tanàna manodidina an’i Debira. Naringany tamin’ny sabatra ny mponina rehetra tao ka tsy nisy niangana. Tahaka izay nataon’i Josoa tamin’i Hebrôna sy i Libnà mbamin’ny mpanjakany no nataon’i Josoa tamin’i Debira sy ny mpanjakany.


Nalain’i Josoa ny tany manontolo; noreseny avokoa ireo mpanjaka rehetra tany an-tendrombohitra sy ny faritra atsimo ary ny teny amin’ny lemak’i Sefelà sy ny kisolosolo, ka tsy nisy niangana; naringany avokoa izay rehetra manana aina, araka ny didy nomen’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely.


Ary nalain’i Josoa koa ny tanànan’ireo mpanjaka hafa rehetra mbamin’ny fanjakany, ka naringany tamin’ny sabatra ireo mpanjaka sy ny mponina rehetra isan-tanàna, araka izay efa nandidian’i Mosesy mpanompon’ny TOMPO.