Josoa 10:37 - Baiboly Katolika37 Nony afany dia nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany ary ny tanàna momba azy rehetra mbamin’izay manana aina rehetra tao, tsy navelany hisy afa-nandositra akory, tahaka ny nanaovan’i Jôsoe an’i Eglôna, fa nataony anatema izy sy ny manana aina rehetra tao. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201137 dia azony koa izy ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany sy ny tanànany rehetra ary ny olona rehetra tao. Tsy nasiany niangana na dia iray akory aza, tahaka izay rehetra efa nataony tamin’i Eglona; nataony zavatra voaozona avokoa izy sy ny olona rehetra tao. Jereo ny tokoDIEM PROTESTANTA37 Azony ny tanàna ka novonoiny tamin’ny sabatra ny mpanjakany sy ny olona rehetra tao. Azony koa ireo tanàna rehetra manodidina an’i Hebrôna, ary naringany avokoa ny olona rehetra tao ka tsy nisy niangana; tahaka izay nataony tamin’i Heglôna mihitsy izany. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara37 Azony ny tanàna ka novonoiny tamin’ny sabatra ny mpanjakany sy ny olona rehetra tao. Azony koa ireo tanàna rehetra manodidina an’i Hebrôna, ary naringany avokoa ny olona rehetra tao ka tsy nisy niangana; tahaka izay nataony tamin’i Heglôna mihitsy izany. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy37 dia afany koa izy, ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany sy ny tanànany rehetra ary ny olona rehetra tao; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza, tahaka izay rehetra efa nataony tamin’i Eglona; fa naringany avokoa izy sy ny olona rehetra tao. Jereo ny tokoMalagasy Bible37 dia afany koa izy, ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany sy ny tanànany rehetra ary ny olona rehetra tao; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza, tahaka izay rehetra efa nataony tamin'i Eglona; fa naringany avokoa izy sy ny olona rehetra tao. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache37 dia azony koa izy ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany sy ny tanànany rehetra ary ny olona rehetra tao. Tsy nasiany niangana na dia iray akory aza, tahaka izay rehetra efa nataony tamin’i Eglona; nataony zavatra voaozona avokoa izy sy ny olona rehetra tao. Jereo ny toko |
Afak’i Jôsoe androtr’izay ihany koa i Makedà, ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany, ary naringany nataony anatema ny tanàna mbamin’ny manana aina rehetra tao, fa tsy nasiany niangana na dia iray aza, ary tahaka ny nanaovany ny mpanjakan’i Jerikô no nanaovany ny mpanjakan’i Makedà koa.
Azony izy sy ny mpanjakany ary ny tanàna rehetra momba azy dia nasiany tamin’ny lelan-tsabatra, ary nataony anatema avokoa ny manana aina rehetra tao, fa tsy navelany hisy afa-nandositra akory. Toy ny nanaovan’i Jôsoe an’i Hebrôna sy ny nanaovany an’i Lebnà sy ny mpanjakany, no nanaovany an’i Dabira sy ny mpanjakany koa.