Josoa 10:28 - DIEM PROTESTANTA28 Azon’i Josoa tamin’izany andro izany koa ny tanàna Makedà, ka nasainy novonoina tamin’ny sabatra ny mpanjakany sady nasainy naringana avokoa ny olona rehetra tao ka tsy nisy niangana. Tahaka izay nataon’i Josoa tamin’ny mpanjakan’i Jerikao no nataony tamin’ny mpanjakan’i Makedà. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201128 Azon’i Josoa koa i Makeda tamin’izany andro izany ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany. Naringany avokoa ny olona rehetra tao ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza. Tahaka izay efa nataony tamin’ny mpanjakan’i Jeriko no nataony tamin’ny mpanjakan’i Makeda koa. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara28 Azon’i Josoa tamin’izany andro izany koa ny tanàna Makedà, ka nasainy novonoina tamin’ny sabatra ny mpanjakany sady nasainy naringana avokoa ny olona rehetra tao ka tsy nisy niangana. Tahaka izay nataon’i Josoa tamin’ny mpanjakan’i Jerikao no nataony tamin’ny mpanjakan’i Makedà. Jereo ny tokoBaiboly Katolika28 Afak’i Jôsoe androtr’izay ihany koa i Makedà, ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany, ary naringany nataony anatema ny tanàna mbamin’ny manana aina rehetra tao, fa tsy nasiany niangana na dia iray aza, ary tahaka ny nanaovany ny mpanjakan’i Jerikô no nanaovany ny mpanjakan’i Makedà koa. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy28 Ary Makeda dia afak’i Josoa tamin’izany andro izany, ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany; ary ny olona rehetra tao dia naringany avokoa ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; ary tahaka izay efa nataony tamin’ny mpanjakan’i Jeriko, no nataony tamin’ny mpanjakan’i Makeda koa. Jereo ny tokoMalagasy Bible28 Ary Makeda dia afak'i Josoa tamin'izany andro izany, ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany; ary ny olona rehetra tao dia naringany avokoa ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; ary tahaka izay efa nataony tamin'ny mpanjakan'i Jeriko, no nataony tamin'ny mpanjakan'i Makeda koa. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache28 Azon’i Josoa koa i Makeda tamin’izany andro izany ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany. Naringany avokoa ny olona rehetra tao ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza. Tahaka izay efa nataony tamin’ny mpanjakan’i Jeriko no nataony tamin’ny mpanjakan’i Makeda koa. Jereo ny toko |