Dia nanao araka ny nandidian’ny TOMPO azy i Davida ka nandresy ny Filistinina hatreo Geba ka hatrany Gezera.
Josoa 10:33 - DIEM PROTESTANTA Tamin’izay dia tonga i Hôrama mpanjakan’i Gezera mba hanampy an’i Lakisy, nefa resin’i Josoa izay mbamin’ny tafiny ka tsy nisy niangana. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary niakatra i Horama, mpanjakan’i Gezera, hamonjy an’i Lakisy; dia nasian’i Josoa izy sy ny vahoakany mandra-paharingany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’izay dia tonga i Hôrama mpanjakan’i Gezera mba hanampy an’i Lakisy, nefa resin’i Josoa izay mbamin’ny tafiny ka tsy nisy niangana. Baiboly Katolika Niakatra hamonjy an’i Lakisa i Horama mpanjakan’i Gazera tamin’izay, fa nasian’i Jôsoe izy sy ny vahoakany ka tsy navelany hisy afa-nandositra akory. Baiboly Protestanta Malagasy Dia niakatra Horama, mpanjakan’i Gazera, hamonjy an’i Lakisy; dia nasian’i Josoa izy sy ny vahoakany mandra-paha-tsy nisy niangana. Malagasy Bible Dia niakatra Horama, mpanjakan'i Gazera, hamonjy an'i Lakisy; dia nasian'i Josoa izy sy ny vahoakany mandra-paha-tsy nisy niangana. La Bible en Malgache Ary niakatra i Horama, mpanjakan’i Gezera, hamonjy an’i Lakisy; dia nasian’i Josoa izy sy ny vahoakany mandra-paharingany. |
Dia nanao araka ny nandidian’ny TOMPO azy i Davida ka nandresy ny Filistinina hatreo Geba ka hatrany Gezera.
Taorian’izany, dia nisy ady tamin’ny Filistinina tao Gezera. Tamin’izay i Sibekay, avy any Hosà, no nahafaty an’i Sipay isan’ny taranak’i Rafà; ka dia voaetry ny Filistinina.
Natolotry ny TOMPO teo an-tanan’ny Israelita i Lakisy ka azony tamin’ny andro faharoa. Novonoin’ireo tamin’ny sabatra ny olona rehetra tao, tahaka izay nataony tamin’i Libnà.
Dia niala tao Lakisy i Josoa sy ny Israelita rehetra niaraka taminy, ka nankany Heglôna ary dia nanao fahirano azy sy nanafika azy.
Ary ny taranak’i Efraîma dia tsy nandroaka ny Kanahanita izay nonina tao Gezera. Koa mbola miara-monina aminy ihany ireny kanahanita ireny mandraka androany, ary nampanaoviny asa fanompoana.
midina miankandrefana ho any amin’ny sisin-tanin’ny Jafletita, mandalo an’i Bety-Hôrôna ambany sy i Gezera, ary mipaka amin’ny Ranomasina Mediteranea.
Avy tamin’i fokon’i Efraîma dia i Sekema, izay tanàna fialofana ao anatin’ny faritra havoan’i Efraîma, i Gezera,
Ny taranak’i Efraîma ihany koa dia tsy naharoaka ny Kanahanita izay nonina tao Gezera; ka nipetraka teo anivon’ny Efraîmita ireo Kanahanita tao Gezera.