Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 5:8 - DIEM PROTESTANTA

Toa soavaly mpikarenjy tsara fahana izy, ka samy nandeha mitrentrena tamin’ny vadin’ny namany avy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tahaka ny soavaly tsara fahana izy ka nikarenjy tamin’izay tiany, samy naneno tamin’ny vadin’ny namany avy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Toa soavaly mpikarenjy tsara fahana izy, ka samy nandeha mitrentrena tamin’ny vadin’ny namany avy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Lahin-tsoavaly tsara fahana mikarenjy izy ireo, ka samy maneno amin’ny vadin’ny namany avy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Tahaka ny soavaly tsara fahana izy ka nikarenjy tamin’izay tiany, Samy naneno tamin’ny vadin’ny namany avy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Tahaka ny soavaly tsara fahana izy ka nikarenjy tamin'izay tiany, samy naneno tamin'ny vadin'ny namany avy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tahaka ny soavaly tsara fahana izy ka nikarenjy tamin’izay tiany, samy naneno tamin’ny vadin’ny namany avy.

Jereo ny toko



Jeremia 5:8
15 Rohy Ifampitohizana  

Ary na ato an-trano aza dia tsy manana fahefana noho izaho izy; ka tsy nisy nandrarany ahy, afa-tsy ianao izay vadiny. Koa ahoana no ahazoako manao zava-dratsy lehibe toy izany, ka hanotako amin’Andriamanitra?


Raha tàhiny sodokam-behivavy iray ny foko ka namitsaka teo am-baravaran’ny namako aho,


«Aza manitsakitsa-bady na maka vadin’olona.


«Aza mitsiriritra izay rehetra an’ny namanao, na ny tranony, na ny vadiny na ny mpanompony, na ny ombiny na ny borikiny.»


Dia toy izany fa tsy hieren-doza izay mandry amin’ny vadin’ny namany.


Izato fanitsakitsaham-bady sy antsoantsom-pilàna ary fijangajangana mahamenatra nafitsokao! Teny amin’ny havoana sy teny an-tsaha teny na nahitako ireo sampinao maharikoriko. Lozanao, ry Jerosalema, fa tsy mety hidio ianao! Mandra-pahoviana no haharetan’izany?


«Feno olona mijangajanga ny tany. Mirohotra amin’ny faharatsiana izy ary feno fahasahiana hanao tsy rariny. Noho izany, misaona ny tany ary tonga maina ny kijàna.


Hihatra amin’izy roa lahy izany noho ny nanaovany zavatra fady teo amin’i Israely; fa naka ny vadin’ny namany izy sady nilaza lainga kanefa nihambo ho niteny tamin’ny anarako, na dia tsy nomeko baiko aza hanao izany. Izaho TOMPO kosa dia mahalala ny zava-drehetra sady vavolombelon’izany, hoy ny teny hentitra avy amiko.› »


Mahazo mifaly sy miravo ianareo izao, ry mpamotika ny fananako! Mahazo mifalihavanja ianareo toy ny vantotr’ombivavy eny amin’ny ahi-maitso sy afa-mikiaka toy ny soavaly mpihazakazaka.


«Toy ny tsipîka mihenjana ny lelany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO. Lainga fa tsy toetra mahatoky no anjakany eo amin’ny tany. Mandroso miharatsy hatrany izy, ary Izaho kosa tsy fantany.


misy manao zava-maharikoriko amin’ny vadin’ny namany, misy nanery ny vinantovaviny hijangajanga ary misy manolana ny anabaviny, dia ny zanakavavin-drainy.


«Aza manitsakitsa-bady na maka vadin’olona.


«Aza mitsiriritra ny vadin’ny namanao, na ny tranony, na ny taniny, na ny mpanompony, na ny ombiny, na ny borikiny, na izay mety ho fananany.»