Jeremia 13:27 - DIEM PROTESTANTA27 Izato fanitsakitsaham-bady sy antsoantsom-pilàna ary fijangajangana mahamenatra nafitsokao! Teny amin’ny havoana sy teny an-tsaha teny na nahitako ireo sampinao maharikoriko. Lozanao, ry Jerosalema, fa tsy mety hidio ianao! Mandra-pahoviana no haharetan’izany? Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201127 Ny fijangajanganao sy ny fanenonao, ny fahavetavetan’ny fijejojejoanao any amin’ny havoana any an-tsaha, eny, samy efa hitako avokoa ireo fahavetavetanao ireo. Lozanao, ry Jerosalema! Mandra-pahoviana ianao no mbola tsy hanadio ny tenanao? Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara27 Izato fanitsakitsaham-bady sy antsoantsom-pilàna ary fijangajangana mahamenatra nafitsokao! Teny amin’ny havoana sy teny an-tsaha teny na nahitako ireo sampinao maharikoriko. Lozanao, ry Jerosalema, fa tsy mety hidio ianao! Mandra-pahoviana no haharetan’izany? Jereo ny tokoBaiboly Katolika27 Ny fijangajanganao, ny fanenonao, ny fanoloranao vatana ho amin’ny asa vetaveta, eny amin’ny havoana, eny an-tsaha eny, ny fahavetavetanao rehetra dia hitako avokoa. Loza ho anao, ry Jerosalema! Maloto ianao, ka mbola haharitra mandra-pahoviana izany? Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy27 Ny fijangajanganao sy ny fanenonao, Ny fahavetavetan’ny fijejojejoanao any amin’ny havoana any an-tsaha,– Eny, samy efa hitako avokoa ireo fahavetavetanao ireo. Lozanao, ry Jerosalema! Mandra-pahoviana no mbola tsy hetezanao hanadio ny tenanao? Jereo ny tokoMalagasy Bible27 Ny fijangajanganao sy ny fanenonao, ny fahavetavetan'ny fijejojejoanao any amin'ny havoana any an-tsaha, eny, samy efa hitako avokoa ireo fahavetavetanao ireo. Lozanao, ry Jerosalema! Mandra-pahoviana no mbola tsy hetezanao hanadio ny tenanao? Jereo ny toko |