Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 39:3 - DIEM PROTESTANTA

Nisesika niditra tao an-tanàna ireo rehetra manamboninahitry ny mpanjakan’i Babilôna ary naka toerana teo amin’ny vavahady afovoany, dia i Nergala-Saretsera lehiben’ny etamazaoro, i Samgara-Nebo, i Sarisekima lehiben’ireo tandapa, ary koa ireo manamboninahitra sisa rehetran’ny Babilôna.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

dia niditra ny mpanapaky ny mpanjakan’i Babilona rehetra ka nipetraka teo amin’ny vavahady afovoany, dia i Nergala-Sarezera, i Samgara-Nebo, i Sara-Sekima, Raba-Sarisa, i Nergala-Sarezera, ary Raba-Magy, mbamin’ny sisa rehetra amin’ny mpanapaky ny mpanjakan’i Babilona.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nisesika niditra tao an-tanàna ireo rehetra manamboninahitry ny mpanjakan’i Babilôna ary naka toerana teo amin’ny vavahady afovoany, dia i Nergala-Saretsera lehiben’ny etamazaoro, i Samgara-Nebo, i Sarisekima lehiben’ireo tandapa, ary koa ireo manamboninahitra sisa rehetran’ny Babilôna.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

ka niditra avokoa ny mpanapaky ny mpanjakan’i Babilôna, ary naka toerana mafy teo amin’ny vavahady afovoany, dia i Nergaly-Seresera mpiambina ny trano firaketana, i Nabo-Sarsakima lehiben’ny eonòka, i Nergaly-Seresera lehiben’ny majy, mbamin’ny sisa rehetra amin’ny mpanapaky ny mpanjakan’i Babilôna.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

dia niditra ny mpanapaky ny mpanjakan’i Babylona rehetra ka nipetraka teo amin’ny vavahady ampovoany, dia Nergala-sarezera sy Samgarnebo sy Sarsekima, Raba-sarisa, sy Nergala-sarezera, Raba-magy, mbamin’ny sisa rehetra amin’ny mpanapaky ny mpanjakan’i Babylona.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

dia niditra ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona rehetra ka nipetraka teo amin'ny vavahady ampovoany, dia Nergala-sarezera sy Samgarnebo sy Sarsekima. Raba-sarisa, sy Nergala-sarezera Raba-magy, mbamin'ny sisa rehetra amin'ny mpanapaky ny mpanjakan'i Babylona.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

dia niditra ny mpanapaky ny mpanjakan’i Babilona rehetra ka nipetraka teo amin’ny vavahady afovoany, dia i Nergala-Sarezera, i Samgara-Nebo, i Sara-Sekima, Raba-Sarisa, i Nergala-Sarezera, ary Raba-Magy, mbamin’ny sisa rehetra amin’ny mpanapaky ny mpanjakan’i Babilona.

Jereo ny toko



Jeremia 39:3
6 Rohy Ifampitohizana  

ny olona avy any Babilôna dia nanao sarivongan’i Sokôta-Benôta; ny avy any Kota nanao sarivongan’i Nergala; ny avy any Hamata nanao sarivongan’i Asimà;


Fa Izao TOMPO dia miteny hentitra hoe: Hantsoiko ny fokom-pirenena rehetra amin’ireo fanjakana any avaratra. Ho avy ireny ka samy hametraka ny sezafiandrianan’ny mpanjakany avy eo anoloan’ny vavahadin’i Jerosalema. Hanodidina ny mandany rehetra izy ary hanafika ny tanàn-dehibe rehetra any Joda.


izao fanambaràn’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely izao: «Indro hataoko miverin-dalana ireo miaramila izay miady any ivelan’ny manda amin’ny mpanjakan’i Babilôna sy ny Kaldeanina noho ny fahirano ataony anareo, ka hampodîko ho ao afovoan-tanàna.


Dia hoy i Jeremià tamin’i Tsedekià: –Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Raha mivoaka hitolo-batana amin’ny manamboninahitry ny mpanjakan’i Babilôna ianao, dia ho velona ianao sy ny fianakavianao, ary tsy hodorana amin’ny afo ity tanàna ity.


Ary i Nebozaradàna lehiben’ny mpiambina nifanaraka tamin’i Nebosazbàny izay lehilahy tena mahatoky ny mpanjaka sy i Nergala-Saretsera lehiben’ny etamazaoro sy ny manamboninahitra sisa rehetran’ny mpanjaka,


Ho rakotry ny vovoka indaosin’ny soavaly betsaka ianao, ary hihovitrovitra ny mandanao noho ny firodorodon’ny mpitaingin-tsoavaly sy ny fingodongodon’ny kodiaran-kalesy. Tahaka ny ibosesehana eo amin’ny manda voabanga no hidiran’ny fahavalo eo amin’ny vavahadinao.