Jeremia 1:15 - DIEM PROTESTANTA15 Fa Izao TOMPO dia miteny hentitra hoe: Hantsoiko ny fokom-pirenena rehetra amin’ireo fanjakana any avaratra. Ho avy ireny ka samy hametraka ny sezafiandrianan’ny mpanjakany avy eo anoloan’ny vavahadin’i Jerosalema. Hanodidina ny mandany rehetra izy ary hanafika ny tanàn-dehibe rehetra any Joda. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy 201115 Fa indro, hantsoiko ny firenena rehetra amin’ny fanjakana any avaratra, hoy NY TOMPO; dia ho tonga ka samy hametraka ny sezafiandrianany eo anoloan’ny vavahadin’i Jerosalema avokoa, hamelezany ny mandany rehetra manodidina sy ny tanàna rehetra any Joda. Jereo ny tokoDikateny Iombonana Eto Madagasikara15 Fa Izao TOMPO dia miteny hentitra hoe: Hantsoiko ny fokom-pirenena rehetra amin’ireo fanjakana any avaratra. Ho avy ireny ka samy hametraka ny sezafiandrianan’ny mpanjakany avy eo anoloan’ny vavahadin’i Jerosalema. Hanodidina ny mandany rehetra izy ary hanafika ny tanàn-dehibe rehetra any Joda. Jereo ny tokoBaiboly Katolika15 Fa inty aho miantso ny fianakaviana rehetra amin’ny fanjakana any avaratra, - teny marin’i Iaveh. - Ka ho avy izy, ary samy hametraka ny seza fiandrianany eo am-pidiran’ny vavahadin’i Jerosalema, eo anoloan’ny mandany rehetra manodidina, ary eo anoloan’ny tanànan’i Jodà rehetra. Jereo ny tokoBaiboly Protestanta Malagasy15 Fa, indro, hantsoiko ny firenena rehetra amin’ny fanjakana any avaratra, hoy Jehovah; dia ho tonga izy, ka samy hametraka ny seza fiandrianany eo anoloan’ny vavahadin’i Jerosalema avokoa hamelezany ny màndany rehetra manodidina sy ny tanàna rehetra any Joda. Jereo ny tokoMalagasy Bible15 Fa, indro, hantsoiko firenena rehetra amin'ny fanjakana any avaratra, hoy Jehovah; dia ho tonga izy, ka samy hametraka ny seza fiandrianany eo anoloan'ny vavahadin'i Jerosalema avokoa hamelezany ny mandany rehetra manodidina sy ny tanàna rehetra any Joda. Jereo ny tokoLa Bible en Malgache15 Fa indro, hantsoiko ny firenena rehetra amin’ny fanjakana any avaratra, hoy NY TOMPO; dia ho tonga ka samy hametraka ny sezafiandrianany eo anoloan’ny vavahadin’i Jerosalema avokoa, hamelezany ny mandany rehetra manodidina sy ny tanàna rehetra any Joda. Jereo ny toko |
dia hampaniraka haka ireo fokom-pirenena rehetra any avaratra Aho, ary hiantso an’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna sady mpanompoko. Hasaiko tonga izy hamely ity tany ity sy ny mponina eo ary koa hamely ireto firenena rehetra manodidina anareo ireto; samy haringako tokoa ireo ka hampahonena sy hampivarahontsana ary ho tonga oha-pandatsana mandrakizay. Teny hentitra avy amiko TOMPO izany.
Izao no lazain’ny TOMPO: «Ianareo vahoakan’i Joda dia mamerimberina hoe rava ny taninay ka tsy ahitana olona na biby fiompy intsony. Marina tokoa fa ny tanànan’i Joda sy ny lalamben’i Jerosalema dia foana ka tsy ahitana olona na biby fiompy monina ao intsony. Kanefa amin’izany toerana izany no mbola handrenesana indray
Dia ambarao amin’ireo hoe: ‹Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: «Indro Aho haniraka hampaka an’i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna izay mpanompoko, ka eto ambonin’ireto vato izay nalevina eto ireto no haoriko ny sezafiandrianany, ary eto no hamelarany ny trano lain’ny mpanjaka.
«Any koa ireo rehetra mpitondra ny vahoaka any avaratra mbamin’ireo Tsidônianina rehetra izay nidina ho any amin’ny maty. Nahery fo tokoa ireny ary nampihorohoro, fa ankehitriny ireny tsy voafora ireny dia miampatra rakotry ny henatra, miaraka amin’ireo hafa rehetra maty an’ady. Mitondra fahafaham-baràka izy miaraka amin’ireo rehetra tafidina any an-davaka ambany any.
Horoahiko lavitra anareo ny fahavalonareo avy any avaratra ka halefako any an-taniefitra sy karankaina; any amin’ny Ranomasina Maty no hazerako ny lohalalany, ary any amin’ny Ranomasina Mediteranea no hatsipiko ny vodilalany. Fofon-dratsy no hiakatra avy amin’ny fatin’ireo ka hanamaimbo ny rivotra. Eny, zava-dehibe toy izany no nataon’ny TOMPO taminareo.