Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 2:22 - DIEM PROTESTANTA

Na dia misasa ny tenanao toy ny fanasa lamba aza ianao ka hampiasa savony betsaka, dia tsy ho afaka ny fahadisoanao fa ho toy ny tseroka eo anatrehako, hoy ny teny hentitry ny Tompo ANDRIANANAHARY.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa na dia misasa amin’ny sirahazo aza ianao ka maka lavenona betsaka hanadiovana anao, ny helokao dia mbola voasoratra eo anatrehako ihany, hoy NY TOMPO Andriamanitra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Na dia misasa ny tenanao toy ny fanasa lamba aza ianao ka hampiasa savony betsaka, dia tsy ho afaka ny fahadisoanao fa ho toy ny tseroka eo anatrehako, hoy ny teny hentitry ny Tompo ANDRIANANAHARY.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Eny, na dia handro amin’ny sirahazo aza ianao, ka hataonao betsaka ny siravondrona, mbola ho voaloto eo anatrehako ihany ianao noho ny fahotanao, - teny marin’i Iaveh. -

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa na dia misasa sirahazo aza hianao Ka maka lavenona betsaka hanadiovana anao, Ny helokao dia mbola voasoratra eo anatrehako ihany, Hoy Jehovah Tompo.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa na dia misasa sirahazo aza ianao ka maka lavenona betsaka hanadiovana anao, ny helokao dia mbola voasoratra eo anatrehako ihany, hoy Jehovah Tompo.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa na dia misasa amin’ny sirahazo aza ianao ka maka lavenona betsaka hanadiovana anao, ny helokao dia mbola voasoratra eo anatrehako ihany, hoy NY TOMPO Andriamanitra.

Jereo ny toko



Jeremia 2:22
12 Rohy Ifampitohizana  

Ary hoy i Davida tamin’i Orià: –Mijanòna ihany àry atỳ anio. Fa rahampitso dia halefako ianao. Dia nijanona tao Jerosalema hatramin’ny ampitson’iny i Orià.


Ho voaafinao an-kitapo misy kase ny fahadisoako ary ho voasaronao tanteraka ny heloko rehetra.


Raha mitsikilo heloka Ianao, ry TOMPO, iza moa no hahatanty, Tompo ô?


Napetrakao eo anatrehanao ny helokay; na ny fahotanay miafina aza dia hitanao mazava.


Fa arahiko maso ny fitondrantenany rehetra ka tsy misy miafina amiko; eny, miharihary eo imasoko ny helony.


Ny fahotan’ireo vahoakan’i Joda dia voasoratra tamin’ny vy sy diamondra fanoratana. Tahaka ny voasokitra soratra amin’ny vatofisaka no mahavoasokitra izany ao am-pony sy eny an-joron’ny alitarany;


Diovy hiala amin’ny ratsy ny fonao, raha te ho afaka ianao, ry Jerosalema. Mandra-pahoviana ny hevi-dratsy no hitoetra ao anatinao?


Koa izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY dia milaza hoe: ‹Lozan’ny tanàna mpamono olona! Ny anoharana azy dia vilany misy harafesina ka harafesina tsy mety afaka ao anatiny. Loary tsirairay tao ny vongan-kena, fa aza misy anaovana antsapaka havela.


Voatana an-tsoratra ny helok’i Efraîma, tsara tahiry ny fahotany.


Ny TOMPO, Izay reharehan’ny taranak’i Jakôba, dia nanao fianianana hoe: «Tsy hisy hohadinoiko mandrakizay ny asa ratsy rehetra nataonareo!»


Voatahiry ato amiko izany nafitsok’ireo izany sady voaisy tombokase ato an-trano firaketako: