Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 2:14 - DIEM PROTESTANTA

Mpanompo ve i Israely ankehitriny? Moa nateraka ho andevo ve izy? Tsia, koa nahoana izy no ho rembin’ny firenen-kafa?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Moa mpanompo va Israely? Moa mpanompo teraka tao an-trano va izy? Koa nahoana izy no voababo?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Mpanompo ve i Israely ankehitriny? Moa nateraka ho andevo ve izy? Tsia, koa nahoana izy no ho rembin’ny firenen-kafa?

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Andevo va i Israely? Ompikely va izy? Ka ahoana àry no itondrana azy toy ny babo?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Moa mpanompo va Isiraely? Ompikely va izy? Koa nahoana no voababo izy?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Moa mpanompo va Isiraely? Ompikely va izy? Koa nahoana no voababo izy?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Moa mpanompo va Israely? Moa mpanompo teraka tao an-trano va izy? Koa nahoana izy no voababo?

Jereo ny toko



Jeremia 2:14
7 Rohy Ifampitohizana  

inona no homenao ahy? Izaho ity ho faty tsy manan-taranaka; ary i Elihezera, mpitandrina ny ato an-tranoko, no handova ahy, satria ianao tsy nanome ahy taranaka.


«Fepetra mitovy no ampiharina amin’ny Israelita sy ny vahiny valovotaka eo amin’ny taninareo.»


Dia ambarao amin’ny Farao hoe: «Izao no lazain’ny TOMPO: Zanako lahimatoa ny vahoaka Israely.


Nampiditra mpiasa lehilahy sy vehivavy aho, ho fanampin’ny mpanompo efa nananako. Nanana omby sy ondry aman’osy betsaka noho ireo rehetra nodimbiasako teto Jerosalema aho,


Izao no fanontaniana ataon’ny TOMPO: «Aiza izay taratasy fisaoram-bady manaporofo fa noroahiko i Jerosalema reninareo? Sa iza no nivarotako anareo ho andevo mba ho fanefana ny trosako aminy? Indro ny helokareo ihany no nivarotana anareo ary ny fikomianareo ihany no nandroahana an-dreninareo.


Ary tsy maintsy hafoinao ny zaratany izay nomeko anao. Hampanompoiko ny fahavalonao any amin’ny tany tsy fantatrao ianao, satria narehitrao ny afom-pahatezerako izay hirehitra mandrakizay.


Koa raha misy manontany hoe: «Nahoana no namely anay tamin’izao loza rehetra izao ny TOMPO Andriamanitray?», dia izao no havalinao, ry Jeremià: «Toy ny nandaozanareo ny TOMPO ka nanompoanareo ny andriamani-kafa tao amin’ny taninareo no hanompoanareo ny firenen-kafa any amin’ny tany izay tsy anareo!»