Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 11:9 - DIEM PROTESTANTA

Ary hoy koa ny TOMPO tamiko: –Misy tetika fikomiana hita ao amin’ny olon’i Joda sy ny mponin’i Jerosalema.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary hoy koa NY TOMPO tamiko: Misy tetika fikomiana hita ao amin’ny Joda sy amin’ny mponina any Jerosalema.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ary hoy koa ny TOMPO tamiko: –Misy tetika fikomiana hita ao amin’ny olon’i Joda sy ny mponin’i Jerosalema.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Hoy i Iaveh tamiko: «Nisy firaisan-tetika hikomy tao amin’ny olon’i Jodà, sy amin’ny mponin’i Jerosalema.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hoy koa Jehovah tamiko: Misy tetika fikomiana hita ao amin’ny Joda Sy amin’ny mponina any Jerosalema.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary hoy koa Jehovah tamiko: Misy tetika fikomiana hita ao amin'ny Joda sy amin'ny mponina any Jerosalema.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary hoy koa NY TOMPO tamiko: Misy tetika fikomiana hita ao amin’ny Joda sy amin’ny mponina any Jerosalema.

Jereo ny toko



Jeremia 11:9
13 Rohy Ifampitohizana  

maminany lainga ny mpaminany, mitady ny tombontsoany ny mpisorona, ary ny vahoakako mankasitraka izany. Koa rehefa tonga ny farany, inona kosa no hataonareo?


Izy rehetra, na ny kely na ny lehibe, dia samy mitady tombontsoa avokoa. Na ny mpaminany na ny mpisorona dia samy mpamitaka avokoa.


Ary noho izany, hoy ny Tompo, dia homeko ny hafa ny vadiny ary ny sahany ho an’izay maka azy. Satria izy rehetra na ny kely na ny lehibe dia samy mitady tombontsoa avokoa. Na ny mpaminany na ny mpisorona dia samy mpamitaka avokoa.


Tahaka ny jiolahy manotrika no ataon’ny andia-mpisorona ka amonoany olona ho faty eny an-dalana mankany Sekema; zava-mahatsiravina afitsony!


Ny mpitondra azy mitsara mba hahazoana tsolotra; ny mpisorony mampianatra ny lalàna mba hahazoana karama; ary ny mpaminaniny manambara ny ho avy mba hahazoana vola. Kanefa dia mbola miankina amin’ny TOMPO ihany ireo ka miteny hoe: «Tsy eto anivontsika ve ny TOMPO? Tsia, tsy hisy loza hanjo antsika.»


ka nanao taminy hoe: –Homenareo hoatrinona aho hanolorako anareo an’i Jesoa? Dia nanisa sekela volafotsy telopolo homena an’i Jodasy ry zareo.


Hatramin’io andro io dia tapa-kevitra ny hamono an’i Jesoa ry zareo.