Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 11:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Nefa tsy nihaino na niraharaha akory izy fa samy nikiry tamin’ny ditram-pony mahatsiravina ka nampiharako ny teny rehetra tao amin’ity fanekempihavanana ity, satria tsy nanaraka izay nodidiako harahiny izy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Nefa tsy nihaino izy ireo na nanongilana ny sofiny, fa samy nandeha tamin’ny ditran’ny fo ratsiny ihany izy ireo. Koa nataoko mihatra aminy ny teny rehetra amin’izao fanekena izao, dia ilay nasaiko nataony nefa tsy nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Nefa tsy nihaino na niraharaha akory izy fa samy nikiry tamin’ny ditram-pony mahatsiravina ka nampiharako ny teny rehetra tao amin’ity fanekempihavanana ity, satria tsy nanaraka izay nodidiako harahiny izy.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Kanefa izy ireo tsy nihaino na nanongilan-tsofina; fa samy nandeha nanaraka ny ditran’ny fo ratsiny; ka dia notanterahiko taminy ny teny rehetra amin’ity fanekena ity, izay nandidiako azy hotandremany; nefa tsy notandremany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Nefa tsy nihaino izy na nanongilana ny sofiny, Fa samy nandeha tamin’ny ditry ny fo ratsiny ihany izy; Ka dia nataoko mihatra aminy ny teny rehetra amin’izao fanekena izao, Ilay nasaiko nataony, nefa tsy nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Nefa tsy nihaino izy na nanongilana ny sofiny, fa samy nandeha tamin'ny ditry ny fo ratsiny ihany izy; Ka dia nataoko mihatra aminy ny teny rehetra amin'izao fanekena izao, ilay nasaiko nataony, nefa tsy nataony.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Nefa tsy nihaino izy ireo na nanongilana ny sofiny, fa samy nandeha tamin’ny ditran’ny fo ratsiny ihany izy ireo. Koa nataoko mihatra aminy ny teny rehetra amin’izao fanekena izao, dia ilay nasaiko nataony nefa tsy nataony.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 11:8
31 Rohy Ifampitohizana  

Kanefa nikomiany sy niodinany Ianao, nariany lavitra azy ny lalànao, novonoiny ny mpaminaninao izay nananatra azy mafy hiverina aminao; koa notevatevainy tokoa Ianao.


Nanarinao mafy izy hiverina amin’ny lalànao; nefa mbola niavonavona ihany, ka tsy nihaino ny didinao fa nandika ny fitsipikao izay mahavelona ny olona manatanteraka azy. Naneho ditra sy nanamafy ny hatony izy, ary tsy nety nihaino Anao.


Fa vahoaka ratsy tsy mety mihaino izay lazaiko izy, mikiry amin’ny ditram-pony, mifikitra amin’ireo andriamani-kafa ka manompo azy sy miankohoka eo anatrehany. Koa ho tahaka io fehikibo tsy azo ampiasaina intsony io anie ity vahoaka ity!


Amin’izany fotoana izany i Jerosalema dia hantsoina hoe «Sezafiandrianan’ny TOMPO». Hivory ao ny firenena rehetra hanome voninahitra Ahy TOMPO sady tsy hanaraka intsony ny ditran’ny fony ratsy.


Kanefa tsy hitovy amin’ilay fanekempihavanana nataoko tamin’ireo razany fony Aho nandray an-tanana hamoaka azy avy tany Ejipta izany. Fa nivadihan’ireo iny, kanefa Izaho no tompony; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Tonga teto tokoa izy ary naka ny tany ho fananany; saingy tsy nihaino izay nolazainao izy, ary tsy nanaraka ny lalànao sady tsy nanatanteraka ny zavatra rehetra nasainao nataony; koa izany no nampiharanao izao loza rehetra izao aminy.


Isaky ny fito taona, hoy Aho taminy, dia aoka ianareo samy handefa ho afaka ireo Hebreo mpiray firenena aminareo, Hebreo izay nitolo-tena ho andevo taminareo ka efa nanompo anareo enin-taona. Tokony havelanareo ho afaka malalaka izy. Kanjo ny razanareo tsy nanaiky Ahy, ary tsy nihaino Ahy akory.


Tsy nitsahatra nandefa ny mpaminany mpanompoko rehetra nifandimby nankany aminareo Aho hilaza aminareo hoe: ‹Samia miala amin’ny lalan-dratsiny ka manaova ny tsara, atsaharo ny mifikitra amin’andriamani-kafa sy manao fanompoam-pivavahana ho azy, dia hahazo honina eto amin’ny tany efa nomeko anareo sy ny razanareo ianareo.› Kanefa tsy nanongilan-tsofina tamiko sady tsy nihaino Ahy ianareo.


Dia hoy koa i Jeremià hoe: «Noho izany, dia izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’izao rehetra izao sady Andriamanitr’i Israely: Indro hahatonga ny loza izay voalazako taminareo Aho, ry vahoakan’i Joda sy ry mponin’i Jerosalema. Satria efa niteny taminareo Aho fa tsy nihaino ianareo, efa niantso anareo Aho fa tsy namaly ianareo.»


Fa hoy i Jeremià taminy: –Tsia, tsy hisy hanolotra anao aminy fa ankatoavy ny tenin’ny TOMPO izay lazaiko aminao, dia ho tsara aminao ny toe-javatra ary ho velona ny ainao.


–Na dia amin’ny anaran’ny TOMPO aza no ilazanao aminay izany teny izany, dia tsy hihaino anao izahay.


Fa ny zavatra rehetra efa tapakay ihany no hataonay: dia ny hanolotra zava-manitra mifangaro sy divay ho an’ny andriamanibavy Hastôreta mpanjakavavin’ny lanitra, tahaka izay efa nataon’ny tenanay sy ny ray aman-dreninay sy ny mpanjakanay ary ireo mpitondra anay tany amin’ireo tanànan’i Joda sy teny amin’ny lalamben’i Jerosalema; fa voky hanina izahay tamin’izany sady nambinina ary tsy nidiran-doza.


Kanefa tsy nihaino na nanongilan-tsofina akory ianareo hiala tamin’ny ratsy fanaonareo ka tsy hanolotra sorona amin’ireo andriamani-kafa.


Ankehitriny dia manao ireny zava-dratsy rehetra fanaony ireny koa ianareo, hoy ny teny hentitry ny TOMPO. Efa nambarako sy naverimberiko taminareo izany nefa tsy nohenoinareo; efa nantsoiko ianareo nefa tsy namaly.


Kanjo tsy nihaino sady tsy niraharaha Ahy izy fa nanaraka ny heviny araka ny ditran’ny fony. Tsy nitodika tamiko izy fa niamboho Ahy.


Nefa tsy nihaino Ahy ianareo sady tsy niraharaha Ahy fa nanamafy hatoka sy nanao ratsy mihoatra noho ny razanareo aza.


«Kanjo nikomy tamiko izy, ary tsy nanaiky hihaino Ahy. Tsy nisy nanary ireo sampy maharikoriko izay nanintona azy izy, ary tsy nisy nandao ny sampy ejiptianina. Koa nihevitra Aho ny hampihatra sy hampitosaka ny fahavinirako amam-pahatezerako aminy tao Ejipta ihany.


Aza manahaka ny razanareo. Fa efa nantsoin’ny mpaminany fahiny tamin’ny anarako ireo mba hiala amin’ny toetra sy ny asa ratsiny, kanefa tsy nety nihaino sy nankato Ahy. Izaho TOMPOn’izao rehetra izao no manao izany teny hentitra izany.


Kanefa tsy nety nihaino izany ny olona; fa nanainga soroka ho fandavana izy sady nanentsin-tadiny mba tsy handre.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra