Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 11:7 - DIEM PROTESTANTA

7 Fa nananatra mafy ny razanareo aho hatramin’ny andro izay nampiakarako azy hiala tany Ejipta ary manao izany mandraka androany; eny, nananatra tsy an-kiato aho milaza hoe: henoinareo izay lazaiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

7 Fa nananatra mafy ny razanareo Aho tamin’ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta ka mandraka androany; eny, nifoha vao maraina Aho ka nananatra hoe: Mihainoa ny feoko.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

7 Fa nananatra mafy ny razanareo aho hatramin’ny andro izay nampiakarako azy hiala tany Ejipta ary manao izany mandraka androany; eny, nananatra tsy an-kiato aho milaza hoe: henoinareo izay lazaiko.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

7 Fa ny razanareo efa nanariko mafy; hatramin’ny andro nitondrako azy nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta, ka mandraka androany; tsy nitsahatra ny nananatra azy ireo Aho nanao hoe: Henoy ny feoko!

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

7 Fa nananatra mafy ny razanareo Aho Tamin’ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta Ka ambaraka andro-any; Eny, nifoha maraina koa Aho ka nananatra hoe: Mihainoa ny feoko.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

7 Fa nananatra mafy ny razanareo Aho tamin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta ka ambaraka androany; Eny, nifoha maraina koa Aho ka nananatra hoe: Mihainoa ny feoko.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

7 Fa nananatra mafy ny razanareo Aho tamin’ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta ka mandraka androany; eny, nifoha vao maraina Aho ka nananatra hoe: Mihainoa ny feoko.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 11:7
29 Rohy Ifampitohizana  

Nampitandrina ny vahoakan’i Israely sy i Joda tamin’ny alalan’ny mpaminany sy mpahita rehetra ny TOMPO nanao hoe: –Ialao ny toe-dratsinareo ka tandremo ny didy sy baiko nataoko araka ny lalàna manontolo izay nandidiako ny razanareo sy nampitondraiko ireo mpaminany mpanompoko ho anareo.


Kanefa ny TOMPO Andriamanitry ny razany dia nangoraka ilay vahoakany sy ilay fonena-masiny, ka nampitondra teny ireo iraka izay nalefany matetika ho any amin’ny olony.


Hoy Izy taminy: «Raha ankatoavinareo tokoa Aho TOMPO Andriamanitrareo, ka ataonareo izay heveriko ho marina, raha henoinareo ny didiko, ka tandremanareo ny fitsipiko dia tsy hisy hataoko aminareo ny aretina rehetra izay namelezako ny Ejiptianina, satria Izaho no TOMPO Izay manasitrana anareo.»


izay nandidiako ny razanareo. Fony izy navoakako avy tany Ejipta, avy tao amin’ny memy fandrendreham-by, no nilazako hoe: Henoy ny feoko, ka araho izay rehetra andidiako anareo; dia ho vahoakako ianareo, ary Izaho kosa ho Andriamanitrareo.


«Manomboka amin’ny taona faha-13 nanjakan’i Jôsià, zanakalahin’i Amôna sady mpanjakan’i Joda, ka mandraka androany, izany hoe efa 23 taona izao, no nanambarako sy namerimberenako taminareo ny hafatra nampitondrain’ny TOMPO ahy, nefa tsy nihaino ianareo.


Tsy nitsahatra naniraka ny mpaminany mpanompony tany aminareo ny TOMPO nefa tsy nihaino na niraharaha akory ianareo.


Kanefa tsy hitovy amin’ilay fanekempihavanana nataoko tamin’ireo razany fony Aho nandray an-tanana hamoaka azy avy tany Ejipta izany. Fa nivadihan’ireo iny, kanefa Izaho no tompony; teny hentitra avy amiko TOMPO izany.


Tonga teto tokoa izy ary naka ny tany ho fananany; saingy tsy nihaino izay nolazainao izy, ary tsy nanaraka ny lalànao sady tsy nanatanteraka ny zavatra rehetra nasainao nataony; koa izany no nampiharanao izao loza rehetra izao aminy.


Isaky ny fito taona, hoy Aho taminy, dia aoka ianareo samy handefa ho afaka ireo Hebreo mpiray firenena aminareo, Hebreo izay nitolo-tena ho andevo taminareo ka efa nanompo anareo enin-taona. Tokony havelanareo ho afaka malalaka izy. Kanjo ny razanareo tsy nanaiky Ahy, ary tsy nihaino Ahy akory.


Fa i Jônadaba, zanakalahin’i Rekaba, dia nandidy ireo zanany mba tsy hisotro divay, ary nankatoavin’ny Rekabita ny teniny; ka tsy nikasika divay ireo mandraka androany, satria nitana ny hafa-drazany. Izaho anefa, na dia tsy nitsahatra nampitandrina anareo aza, dia tsy mba nohenoinareo akory.


Tsy nitsahatra nandefa ny mpaminany mpanompoko rehetra nifandimby nankany aminareo Aho hilaza aminareo hoe: ‹Samia miala amin’ny lalan-dratsiny ka manaova ny tsara, atsaharo ny mifikitra amin’andriamani-kafa sy manao fanompoam-pivavahana ho azy, dia hahazo honina eto amin’ny tany efa nomeko anareo sy ny razanareo ianareo.› Kanefa tsy nanongilan-tsofina tamiko sady tsy nihaino Ahy ianareo.


Ankehitriny dia manao ireny zava-dratsy rehetra fanaony ireny koa ianareo, hoy ny teny hentitry ny TOMPO. Efa nambarako sy naverimberiko taminareo izany nefa tsy nohenoinareo; efa nantsoiko ianareo nefa tsy namaly.


Manana ady amin’ny mponin’ity tany ity ny TOMPO, ry Israelita; ka henoy izao teniny izao: «Tsy misy toetra mahatoky eto amin’ity tany ity, tsy misy fitiava-namana, na fahalalàna an’Andriamanitra.


Henoy izao, ry mpisorona sy ianareo mpitondra israelita, ary atongilano ny sofinareo, ry fianakavian’ny mpanjaka: Hihatra aminareo izao ny fitsarana, fa tonga fandrika tao Mitsepà ianareo sy harato voavelatra tao Tabôra,


Aza manahaka ny razanareo. Fa efa nantsoin’ny mpaminany fahiny tamin’ny anarako ireo mba hiala amin’ny toetra sy ny asa ratsiny, kanefa tsy nety nihaino sy nankato Ahy. Izaho TOMPOn’izao rehetra izao no manao izany teny hentitra izany.


Koa dia izao no lazaiko sy ambarako noho izaho tafaray amin’ny Tompo: aza atao intsony ny fomba fiainan’ny mpanompo sampy, izay manaraka ny hevi-poanany


Tiavo ny TOMPO Andriamanitrareo ka ekeo sy ifikiro, fa izany no hahavelona anareo sy hahamaro ny andro honenanareo any amin’ny tany izay nianianan’ny TOMPO tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba razambenareo fa homena azy.


Koa tandremo sy tanteraho izany, fa hiheverana anareo ho hendry sy manan-tsaina eo imason’ny firenen-kafa; handre ireny lalàna rehetra ireny mantsy izy ka ho loa-bolana hoe: «Mba vahoaka hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena lehibe io!»


Enga anie io vahoaka io mba ho tapa-kevitra mandrakariva toy izany hanaja Ahy sy hitandrina ny didiko rehetra, mba ho sambatra hatrany hatrany izy sy ny taranany.


Ny tanjona kendrena, ho an’ny andro rehetra iainanareo, dia ny hanajanareo ny TOMPO Andriamanitrareo ka hitandremanareo ny lalànany sy didiny rehetra izay ampitaiko aminareo sy amin’ny taranakareo mba ho maro andro ianareo.


ka hotandremanareo ny didiny mba hizoranareo amin’ny lalany sy hanajanareo Azy.


Ny olona toy izany dia feperanay sady ampirisihinay amin’ny anaran’i Jesoa Kristy Tompo mba hiasa amim-pilaminana ka hihinana ny azy ihany.


Noho izany, dia ekeo ihany ny fangatahany; kanefa aza misoron-teny aminy ianao fa atoroy azy ny zon’izay ho mpanjakany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra