Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Isaia 8:3 - DIEM PROTESTANTA

Dia nankao amin’ny mpaminanivavy vadiko aho, ka nitoe-jaza izy ary niteraka zazalahy. Koa niteny tamiko ny TOMPO hoe: –I Mahera-Salala-Hasy-Baza no ataovy anarany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nanakaiky ny mpaminanivavy aho; dia nanana anaka izy ka niteraka zazalahy. Ary hoy NY TOMPO tamiko: Aoka ny anarany hataonao hoe Mahera-Salala-Hasy-Baza.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Dia nankao amin’ny mpaminanivavy vadiko aho, ka nitoe-jaza izy ary niteraka zazalahy. Koa niteny tamiko ny TOMPO hoe: –I Mahera-Salala-Hasy-Baza no ataovy anarany.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

Dia nanatona ny mpaminany vavy aho ary nanana anaka izy, ka niteraka zaza lahy. Ary hoy i Iaveh tamiko: «Ataovy hoe: Maher-Salala-Kasy-Baza ny anarany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nankany amin’ny mpaminanivavy aho; dia nanan-anaka izy ka niteraka zazalahy. Ary hoy Jehovah tamiko: Aoka ny anarany hataonao hoe Mahera-salala-hasi-baza.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nankany amin'ny mpaminanivavy, aho; dia nanan'anaka izy ka niteraka zazalahy. Ary hoy Jehovah tamiko: Aoka ny anarany hataonao hoe Mahera-salala-hasi-baza.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nanakaiky ny mpaminanivavy aho; dia nanana anaka izy ka niteraka zazalahy. Ary hoy NY TOMPO tamiko: Aoka ny anarany hataonao hoe Mahera-Salala-Hasy-Baza.

Jereo ny toko



Isaia 8:3
6 Rohy Ifampitohizana  

Dia lasa nankany amin’i Holdà mpaminanivavy i Hilkià mpisorona sy i Ahikama mbamin’i Hakbôra sy i Safàna ary i Hasaià. I Holdà, izay nonina tao Antanambaon’i Jerosalema, dia vadin’i Saloma zanakalahin’i Tikvà sy zafikelin’i Harahasa sady mpitahiry ny fanamiana masina tao an-tempoly. Koa rehefa niresaka tamin-dravehivavy ry i Hilkià,


Ary hoy ny TOMPO tamiko: –Mandraisa takela-tanimanga iray lehibe, dia soraty araka ny fanaon’ny olona izao: «Ho an’i Mahera-Salala-Hasy-Baza» na hoe «Ho an’i Faingàna hamabo-Dodòna handroba.»


Nony ampitso vao novahan’i Pasehora, teo amin’ny tsatòka i Jeremià. Ary hoy i Jeremià taminy: –Tsy i Pasehora intsony no anarana hiantsoan’ny TOMPO anao fa Magôra-Misabiba, izany hoe «Fihorohoroana hatraiza hatraiza».


Tamin’izany fotoana izany dia i Debôrà, mpaminanivavy vadin’i Lapidôta, no mpitsara nitondra an’i Israely.