Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Isaia 8:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Ary hoy ny TOMPO tamiko: –Mandraisa takela-tanimanga iray lehibe, dia soraty araka ny fanaon’ny olona izao: «Ho an’i Mahera-Salala-Hasy-Baza» na hoe «Ho an’i Faingàna hamabo-Dodòna handroba.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Hoy NY TOMPO tamiko: Makà fafana lehibe ka soraty eo araka ny fanoratry ny olona hoe: Mahera-Salala-Hasy-Baza, izany hoe: Avy haingana ny famaboana, mihazakazaka ny fandrobana!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Ary hoy ny TOMPO tamiko: –Mandraisa takela-tanimanga iray lehibe, dia soraty araka ny fanaon’ny olona izao: «Ho an’i Mahera-Salala-Hasy-Baza» na hoe «Ho an’i Faingàna hamabo-Dodòna handroba.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Ary hoy i Iaveh tamiko: «Mangalà fàfana lehibe, ka soraty eo, amin’ny soratra azon’ny olona rehetra vakina, izao: ‹Hafaingano ny fandrobana! Mamaboa faingana.› »

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY hoy Jehovah tamiko: Mangalà fafana lehibe, ka soraty aminy araka ny fanoratry ny olona hoe: ,,Ho an’ i Mahera-salala-hasi-baza.’’

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary hoy Jehovah tamiko: Mangalà fafana lehibe, ka soraty aminy araka ny fanoratry ny olona hoe: "Ho an'i Mahera-salala-hasi-baza."

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Hoy NY TOMPO tamiko: Makà fafana lehibe ka soraty eo araka ny fanoratry ny olona hoe: Mahera-Salala-Hasy-Baza, izany hoe: Avy haingana ny famaboana, mihazakazaka ny fandrobana!

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 8:1
11 Rohy Ifampitohizana  

Hoy kosa ny Tompo tamin’i Isaià: «Ankehitriny, ndeha soraty amin’ny fafana izany eo anatrehan’ny mponin’i Jerosalema, ka ataovy raki-tsoratra ho vavolombelona haharitra hatrany amin’ny andro ho avy.


«Fonosy izany hafatra izany, ry Isaià, ary asio tombokase ny fampianarana ho eo anivon’ireo mpianatro ihany.»


Dia nankao amin’ny mpaminanivavy vadiko aho, ka nitoe-jaza izy ary niteraka zazalahy. Koa niteny tamiko ny TOMPO hoe: –I Mahera-Salala-Hasy-Baza no ataovy anarany.


«Izao no lazain’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely: Ataovy an-tsoratra izay hafatra rehetra efa nampitaiko taminao.


«Makà horonan-taratasy ianao, ka soraty ao ny hafatra rehetra izay nampitondraiko anao ny amin’ny fanjakan’i Israely sy ny fanjakan’i Joda ary ireo firenen-kafa rehetra, hatreo amin’ny andron’i Josià fony Aho vao nanomboka niteny taminao ka mandraka androany.


«Makà horonan-taratasy iray hafa ianao ka soraty ao ireo hafatra rehetra tamin’ny horonan-taratasy voalohany izay nodoran’i Jôiakima mpanjakan’i Joda.


Dia naka horonan-taratasy iray hafa i Jeremià ka nomeny an’i Baròka, zanakalahin’i Nera sady mpanoratra. Ary nosoratany tao izay notononin’i Jeremià, dia ireo hafatra rehetra izay efa tao amin’ilay boky nodoran’i Jôiakima mpanjakan’i Joda; sady mbola niampy hafatra maro tahaka ireny koa.


Eto no ilàna fahendrena! Izay manan-tsaina, aoka hanombantombana ny isa mifandraika amin’ilay biby, fa isa milaza olona izany; ary 666 no isa mifandraika aminy.


ary norefesiny koa ny màndany, ka 144 hakiho ny hateviny araka ny refy mahazatra ny olona, izay refy nampiasain’ny anjely.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra