Toy ny vovoka mitora-jofo ny habetsaky ny fahavalonao, toy ny akofa misavoana ny olon-dozabe mamely anao.» Fa ho tampoka dia tampoka kosa
Isaia 48:3 - DIEM PROTESTANTA Efa hatry ny ela no nanambarako ny zava-niseho voalohany; Izaho no nampanantena ireny sy nampandre azy anareo. Tampoka no nihetsehako, dia tonga tokoa ireny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny zavatra taloha dia efa voalazako hatramin’ny fahiny; naloaky ny vavako izany sady nambarako; tampoka no nanaovako izany ary tanteraka ihany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Efa hatry ny ela no nanambarako ny zava-niseho voalohany; Izaho no nampanantena ireny sy nampandre azy anareo. Tampoka no nihetsehako, dia tonga tokoa ireny. Baiboly Katolika Ny zavatra taloha, dia efa nambarako hatramin’ny ela; naloaky ny vavako izany, sady nantsoiko ampahibemaso; ary tampoka Aho dia nanao, ka tanteraka ireo zavatra ireo. Baiboly Protestanta Malagasy Ny zavatra taloha dia efa voalazako hatramin’ny fahiny, Ary naloaky ny vavako izany sady nambarako; Tampoka no nanaovako izany, ary tonga izany. Malagasy Bible Ny zavatra taloha dia efa voalazako hatramin'ny fahiny, ary naloaky ny vavako izany sady nambarako; Tampoka no nanaovako izany, ary tonga izany. La Bible en Malgache Ny zavatra taloha dia efa voalazako hatramin’ny fahiny; naloaky ny vavako izany sady nambarako; tampoka no nanaovako izany ary tanteraka ihany. |
Toy ny vovoka mitora-jofo ny habetsaky ny fahavalonao, toy ny akofa misavoana ny olon-dozabe mamely anao.» Fa ho tampoka dia tampoka kosa
dia ho toy ny triatra amin’ny manda no haterak’izany heloka izany aminareo: miseho aloha ny mivohitra, ary tampotampoka eo dia mirodana.
Eny, efa tezitra nisafoaka tamiko tokoa ianao ary efa tafakatra an-tsofiko ny fireharehànao; koa hasiako farango ny oronao ary hasiako lamboridy ny vavanao, dia hampivereniko any an-taninao ianao amin’izay lalana niavianao ihany.
Fa indro Aho hanoro hevitra azy hiverina any amin’ny taniny, rehefa handre siosio izy; ary any no hampamonoako azy ho fatin-tsabatra.»
Manatòna hanazava aminay ny zava-hitranga. Lazao ny zava-niseho voalohany mba hifantohan’ny fandinihanay; na ambarao kosa izay ho avy, dia ho fantatray izay hiafarany.
Fa Izaho no voalohany nilaza izany tamin’i Tsiôna ka naniraka mpitondra vaovao mahafaly ho an’i Jerosalema.
Indro efa lasa iny ny zava-niseho voalohany; koa zava-baovao indray no ambarako aminareo. Ary hampahafantariko anareo izany, na dia mbola tsy miseho aza.
Aoka hiangona ny firenena rehetra ary hivory ny olombelona! Iza amin’ireo andriamanitrareo no mahalaza aminay ny zava-nitranga? Aoka izy hanambara aminay ny zava-niseho voalohany. Aoka hasehony ny vavolombelony mba haneho ny fahamarinany; ary aoka ny vavolombelony hihaino azy ka hanamafy hoe: «Marina izany!»
Manaova fanambaràna, ary ento ny porofo, manaova fikaonan-doha miaraka ianareo! Iza no nampahalala hatry ny ela izay mitranga ankehitriny? Iza no nanambara izany mialoha? Moa tsy Izaho TOMPO va? Koa tsy misy Andriamanitra afa-tsy Izaho; Izaho no hany Andriamanitra marina sy mamonjy.
Tanteraka avokoa ny zava-tsoa rehetra nambaran’ny TOMPO tamin’ny Israelita fa tsy nisy latsaka.