Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Isaia 42:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Indro efa lasa iny ny zava-niseho voalohany; koa zava-baovao indray no ambarako aminareo. Ary hampahafantariko anareo izany, na dia mbola tsy miseho aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Ny zavatra taloha dia indreo, efa miseho; ary zava-baovao kosa no toriko izao; na dia tsy mbola miposaka aza ireny dia ambarako aminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Indro efa lasa iny ny zava-niseho voalohany; koa zava-baovao indray no ambarako aminareo. Ary hampahafantariko anareo izany, na dia mbola tsy miseho aza.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Efa tanteraka izay, ireo zavatra taloha; ary zava-baovao indray izao no ambarako; alohan’ny hitrangany dia ampandrenesiko rahateo ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Ny amin’ny zavatra taloha, dia indreo, efa miseho; Ary zava-baovao kosa no toriko izao; Na dia tsy mbola miposaka aza ireny, Dia ambarako aminareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Ny amin'ny zavatra taloha, dia indreo, efa miseho; Ary zava-baovao kosa no toriko izao; Na dia tsy mbola miposaka aza ireny, dia ambarako aminareo.

Jereo ny toko dika mitovy




Isaia 42:9
16 Rohy Ifampitohizana  

Homeko foko iray ihany ny zanakalahiny mba hisy mandrakariva, ho an’i Davida mpanompoko, taranaka iray hanjaka eo anatrehako any Jerosalema izay tanàna nofidiko hampitoerako ny voninahitro.


Fa hanao zavatra vaovao Aho; ary ankehitriny efa mipoitra sahady izany, ka ho hainareo fantarina tokoa. Eny, hisava lalana any an-taniefitra Aho sady hampandriaka ony an-tany karakaina.


Efa hatry ny ela no nanambarako ny zava-niseho voalohany; Izaho no nampanantena ireny sy nampandre azy anareo. Tampoka no nihetsehako, dia tonga tokoa ireny.


Koa nambarako anareo hatry ny ela ireny zavatra ireny ary nampandrenesiko anareo talohan’ny nisehoany, sao lazainareo hoe: «Ny sampinay no nanao ireny; ny andriamanitray sarisokitra hazo na sarivongana varahina no nanome baiko toy izany.»


Efa renareo izay nambarako mialoha ka hitanareo fa tanteraka avokoa; moa tsy hotantarainareo ve izany? Manomboka androany àry dia hampandre anareo zava-baovao Aho, dia zavatra nafenina mbola tsy fantatrareo.


Dieny izao Aho no milaza aminareo alohan’ny hahatongavan’izany, mba hinoanareo rehefa tonga izany fa «Izaho no Ilay hatrizay ka ho mandrakizay.»


Izany no ambaran’ny Tompo, Izay efa nampahafantatra izany zavatra izany hatramin’ny fahagolan-tany.»


Tanteraka avokoa ny zava-tsoa rehetra nambaran’ny TOMPO tamin’ny Israelita fa tsy nisy latsaka.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra