dia fantaro fa Andriamanitra no nahatonga izao fahavoazako izao sady nanarona ahy tamin’ny haratony.
Hosea 7:12 - DIEM PROTESTANTA Iny izy mankany iny kosa no velariko aminy ny haratoko, ka ataoko izay hilatsahany ao toy ny voromanidina; avy eo dia faiziko izy araka ny zavatra ratsy nataony. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha vao mandeha izy dia hovelariko aminy ny fandrika haratoko ka hazerako ao toy ny voromanidina izy; hofaiziko izy, araka izay efa nambara tamin’ny fiangonany. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Iny izy mankany iny kosa no velariko aminy ny haratoko, ka ataoko izay hilatsahany ao toy ny voromanidina; avy eo dia faiziko izy araka ny zavatra ratsy nataony. Baiboly Katolika Amin’ilay mankany iny izy ireo, Izaho kosa mamelatra eo amboniny ny fandrika haratoko; dia hataoko latsaka toy ny voromanidina izy, ary hamay azy, araka ny efa voalaza rahateo teo amin’ny fiangonany. Baiboly Protestanta Malagasy Raha vao mandeha izy, dia hovelariko aminy ny fandrika haratoko, Ka hampidiniko ao toy ny voromanidina izy; Hofaizako izy araka izay efa nambara tamin’ny fiangonany. Malagasy Bible Raha vao mandeha izy, dia hovelariko aminy ny fandrika haratoko, ka hampidiniko ao toy ny voro-manidina izy; Hofaizako izy araka izay efa nambara tamin'ny fiangonany. La Bible en Malgache Raha vao mandeha izy dia hovelariko aminy ny fandrika haratoko ka hazerako ao toy ny voromanidina izy; hofaiziko izy, araka izay efa nambara tamin’ny fiangonany. |
dia fantaro fa Andriamanitra no nahatonga izao fahavoazako izao sady nanarona ahy tamin’ny haratony.
Tsy misy olona mahafantatra ny fotoana hiavian’ny loza. Fa toy ny trondro azon’ny harato, ary tahaka ny voron-kely voam-pandrika no hahitany loza mahavoa azy tampotampoka.
Hoy ny teny hentitry ny TOMPO: «Haniraka mpanarato maro Aho mba hanarato azy; avy eo dia haniraka mpihaza betsaka koa Aho mba hihaza azy eny amin’ny tendrombohitra sy ny havoana rehetra ary hatrany an-tsefatsefaky ny harambato.
Tsy nitsaha-naniraka ireo mpaminany mpanompoko tany aminareo Aho hiangavy anareo mba tsy hanao intsony ireny zavatra maharikoriko nankahalaiko ireny.
Izaho Tompo kosa dia hamelatra fandrika harato ka hisambotra azy. Dia hoentiko any amin’ny tanin’ny Babilônianina izy, ary tsy hahita izany kanefa ho faty any.
Hamelarako fandrika izy ka ho tratra. Hoentiko any Babilôna izy ka any no hotsaraiko noho ny fivadihany tamiko.
‹Izao no lazain’ny Tompo ANDRIANANAHARY: Rehefa tafangona ny firenena maro, dia hosaronako harato ianao, ka hakarin’ireo ho eny amoron-drano amin’io haratoko io.
Ho tonga taniefitra i Efraîma amin’ny andro famaizana; zavatra tsy maintsy ho to no ambarako amin’ireo fokon’i Israely.