Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 5:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Ho tonga taniefitra i Efraîma amin’ny andro famaizana; zavatra tsy maintsy ho to no ambarako amin’ireo fokon’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Ho lao i Efraima raha tonga amin’ny andro fanamelohana. Zavatra tsy maintsy ho to no nampahafantariko teo amin’ireo fokon’ny Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Ho tonga taniefitra i Efraîma amin’ny andro famaizana; zavatra tsy maintsy ho to no ambarako amin’ireo fokon’i Israely.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Horavana i Efraima amin’ny andro famaizana; ny amin’ny hanjò ny fokon’i Israely zava-tsy maintsy tò no ambarako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Ho lao Efraima, raha mby amin’ny andro fanamelohana; Izay tsy maintsy ho to no nambarako tao amin’ny firenen’Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Ho lao Efraima, raha mby amin'ny andro fanamelohana; Izay tsy maintsy ho tò no nambarako tao amin'ny firenen'Isiraely.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Ho lao i Efraima raha tonga amin’ny andro fanamelohana. Zavatra tsy maintsy ho to no nampahafantariko teo amin’ireo fokon’ny Israely.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 5:9
23 Rohy Ifampitohizana  

Tsy misy mahatsangana izay ravan’Andriamanitra, ary tsy misy mahafaka izay voagadrany.


hanao aminy hoe: «Izao no lazain’i Hezekià: Andro fahoriana sy famaizana ary fahafaham-baràka ho antsika ity andro ity! Tonga amin’ny fitenenana hoe: ‹Efa ho teraka ny zaza nefa tsy misy hery hiterahana azy ny reniny.›


Efa hatrany am-piandohana no nilazako ny zavatra hitranga atỳ aoriana; ary efa hatry ny ela be no nilazako ny zavatra tsy mbola niseho. Hoy Aho hoe: «Ny fikasàko, dia ho tanteraka hatrany; ary izay rehetra sitrako dia hataoko.»


Efa hatry ny ela no nanambarako ny zava-niseho voalohany; Izaho no nampanantena ireny sy nampandre azy anareo. Tampoka no nihetsehako, dia tonga tokoa ireny.


Koa nambarako anareo hatry ny ela ireny zavatra ireny ary nampandrenesiko anareo talohan’ny nisehoany, sao lazainareo hoe: «Ny sampinay no nanao ireny; ny andriamanitray sarisokitra hazo na sarivongana varahina no nanome baiko toy izany.»


Fa raha tsy mbola mahalala handà ny ratsy sy hifidy ny tsara akory izany zaza izany, dia hilaozan’ny mponina ny tanin’ireo mpanjaka roa izay mampitahotra anao ireo.


Ho toy ny fositra Aho amin’i Efraîma ary ho toy ny olitra amin’ny taranak’i Joda.


Vao mainka aza Izaho TOMPO ho tahaka ny liona mamely anareo ary ho toy ny liona tanora hamely ny taranak’i Joda. Izaho dia Izaho no handratra ny rembiko, ka handeha hitondra azy ary tsy hisy haharombaka azy amiko.


Iny izy mankany iny kosa no velariko aminy ny haratoko, ka ataoko izay hilatsahany ao toy ny voromanidina; avy eo dia faiziko izy araka ny zavatra ratsy nataony.


Voatelina i Israely; ary indro izy efa tonga toy ny fanaka tsy misy vidiny any amin’ny hafa firenena.


Tonga ny andro famaizana. Tonga ny andro famaliana. Ho fantatr’i Israely anie izany! Hoy ianareo hoe: «Adala ny mpaminany; ary mirediredy ny tsindriam-panahy.» Vokatry ny hamaroan’ny helokao sy ny fanohera-mafy nataonao izany.


Satria tsy manao zavatra ny Tompo ANDRIANANAHARY, raha tsy efa mampahafantatra ny fikasany amin’ireo mpaminany mpanompony.


noho izany, ry Amatsià, dia izao no lazain’ny TOMPO: Hijangajanga ao an-tanàna ny vadinao; ireo zanakao lahy sy vavy dia haringana amin’ny sabatra; ny taninao dia hozarazaraina amin’ny tady sy homena olon-kafa; ianao dia ho faty any amin’ny tany fanompoan-tsampy ary ny taranak’i Israely dia ho lasan-ko babo lavitry ny taniny.»


Fa hofoanako ireo toeram-panasinan’ny taranak’i Itsehàka, horavako ireo toeram-pivavahan’i Israely, ary hitsangana Aho hamely ny taranak’i Jerôbohama amin’ny sabatra.


Izaho kosa nanomboka nikapoka anareo, mba handringanana anareo noho ny fahotanareo.


Nefa ny teny sy ny didy izay nomeko ny mpaminany mpanompoko dia mba nandresy lahatra ny razanareo ihany; ka niala tamin’ny ratsy izy ary niaiky fa Izaho TOMPOn’izao rehetra izao no efa nitondra azy araka izay notapahiko, dia araka izay sahaza ny toetrany sy ny asany.»


Eny, ireo zavatra ireo no voalazako taminareo, dia mba hahatsiarovanareo, rehefa tonga ilay andro hanaovan-dry zareo izany, fa niteny taminareo Aho. –Ireo zavatra ireo dia tsy noteneniko taminareo hatramin’ny voalohany, satria mbola niaraka taminareo Aho;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra