Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Hosea 5:11 - DIEM PROTESTANTA

Ampahorîna i Efraîma, voahitsakitsaka ny zony satria ninia nanenjika zava-manodoka izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ampahoriana i Efraima sady voatorotoron’ny fitsarana satria ninia nanaraka zava-poana izy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ampahorîna i Efraîma, voahitsakitsaka ny zony satria ninia nanenjika zava-manodoka izy.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

ampahorîna sy torotoroin’ny fitsarana i Efraima satria ninia nanaraka ny sampy tsinontsinona izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ampahorina Efraima sady voatorotoron’ny fitsarana, Satria ninia nanaraka didin’olombelona izy,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ampahorina Efraima sady voatorotoron'ny fitsarana, satria ninia nanaraka didin'olombelona izy,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ampahoriana i Efraima sady voatorotoron’ny fitsarana satria ninia nanaraka zava-poana izy.

Jereo ny toko



Hosea 5:11
7 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny andro nanjakan’i Peka tamin’i Israely no nahatongavan’i Tiglata-Pilesera mpanjakan’i Asiria haka ny tanànan’i Hiôna sy i Abela-Bety-Mahakà mbamin’i Janôka sy i Kedesa ary i Hatsôra; nalainy koa i Gilehada sy i Galilea mbamin’ny tanin’i Naftalỳ manontolo, ary dia nataony sesitany tany Asiria ny mponin’ireo.


Voavely i Efraîma: maina ny fàkany ka tsy hamoa intsony izy. Na dia miteraka aza ny vehivavy ao aminy, dia hataoko maty ihany ny malala naloaky ny kibony.»


Fa tandremanareo fatratra ny ohatra ratsy nasehon’i Hômrỳ mpanjaka sy ny fihetsiky ry i Ahaba mianakavy, ka narahinareo ny fomba amam-panaony. Noho izany, dia hatolotro horavana ity renivohitrareo ity ary ho fihomehezana ianareo mponina ao aminy; ka ianareo no hitondra ny latsa mianjady amin’ny vahoakako.»


Ny vokatry ny taninareo sy izay rehetra efa nisasaranareo dia hohanin’ny firenena izay tsy fantatrareo; ary hampahorîn’ny sasany sy homongomongoiny mandrakariva ianareo.