Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Hosea 5:11 - Baiboly Katolika

11 ampahorîna sy torotoroin’ny fitsarana i Efraima satria ninia nanaraka ny sampy tsinontsinona izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Ampahoriana i Efraima sady voatorotoron’ny fitsarana satria ninia nanaraka zava-poana izy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

11 Ampahorîna i Efraîma, voahitsakitsaka ny zony satria ninia nanenjika zava-manodoka izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Ampahorîna i Efraîma, voahitsakitsaka ny zony satria ninia nanenjika zava-manodoka izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ampahorina Efraima sady voatorotoron’ny fitsarana, Satria ninia nanaraka didin’olombelona izy,

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ampahorina Efraima sady voatorotoron'ny fitsarana, satria ninia nanaraka didin'olombelona izy,

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

11 Ampahoriana i Efraima sady voatorotoron’ny fitsarana satria ninia nanaraka zava-poana izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Hosea 5:11
7 Rohy Ifampitohizana  

Tamin’ny andron’i Faseà mpanjakan’i Israely no nahatongavan’i Teglaty-Falasara mpanjakan’i Asiria sy nahazoan’io an’i Ajôna, i Abela-Bety-Maakà, i Janôe, i Kedesa, Asôra, i Galaada ary i Galilea, dia ny tanin’i Neftalì rehetra, sady nentiny ho babo tany Asiria koa ny mponina.


Voa i Efraima, maina ny fakany, tsy hanoa intsony izy ireo; ary na dia miteraka aza izy, hovonoiko ny malalany naloaky ny kibony.


Mitandrina ny fitsipik’i Amrì ny olona, mbamin’ny fanaon’ny taranak’i Akaba rehetra, ary mandeha araka ny toroheviny ianareo, mba hanolorako anareo amin’ny fandringanana, ary ny mponina amin’ny tany, ho amin’ny fisitrisìrana, ka hivesaranareo ny latsan’ny vahoakako.


Ny vokatry ny taninao, ny vokatry ny asanao rehetra, hohanin’olon-kafa tsy fantatrao akory, ary ianao hampahorina sy homongoin’ny sasany isan’andro.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra