Indro Aho hahatonga safo-drano lehibe mba hamongorana izay rehetra manana aina atỳ ambany lanitra, ka ho levona avokoa izay rehetra eny ambonin’ny tany.
Genesisy 7:23 - DIEM PROTESTANTA Dia nofoanan’Andriamanitra ny zava-mananaina rehetra teny ambonin’ny tany, nanomboka tamin’ny olona ka hatramin’ny biby lehibe sy kely mbamin’ny voro-manidina; dia nofoanan’Andriamanitra tsy ho amin’ny tany ireny, fa i Noà irery ihany mbamin’izay niaraka taminy tao anatin’ny sambofiara no sisa tavela. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Naringana ny mananaina rehetra izay tetỳ ambonin’ny tany, hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby fiompy sy ny zava-mandady na mikisaka ary ny voromanidina; naringana tsy ho amin’ny tany ireny. Fa i Noa sy izay niara-nitoetra taminy tao anatin’ny sambofiara ihany no sisa velona. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nofoanan’Andriamanitra ny zava-mananaina rehetra teny ambonin’ny tany, nanomboka tamin’ny olona ka hatramin’ny biby lehibe sy kely mbamin’ny voro-manidina; dia nofoanan’Andriamanitra tsy ho amin’ny tany ireny, fa i Noà irery ihany mbamin’izay niaraka taminy tao anatin’ny sambofiara no sisa tavela. Baiboly Katolika Ringana avokoa rehefa mety ho zavatra tambonin’ny tany, hatramin’ny olombelona ka hatramin’ny biby fiompy sy ny zava-mikisaka mbamin’ny vorona eny amin’ny habakabaka; levona tsy nisy teto an-tany intsony izany; fa i Nôe sy ireo niara-nitoetra taminy tao an-tsambo fiara ihany no sisa. Baiboly Protestanta Malagasy Ary naringana ny zavatra velona rehetra izay tambonin’ny tany, hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby fiompy sy ny zava-mandady na mikisaka ary ny voro-manidina; dia naringana tsy ho amin’ny tany ireny; ary Noa sy izay niara-nitoetra taminy tao anatin’ny sambo-fiara ihany no sisa velona. Malagasy Bible Ary naringana ny zavatra velona rehetra izay tambonin'ny tany, hatramin'ny olona ka hatramin'ny biby fiompy sy ny zava-mandady na mikisaka ary ny voro-manidina; dia naringana tsy ho amin'ny tany ireny; ary Noa sy izay niara-nitoetra taminy tao anatin'ny sambo-fiara ihany no sisa velona. La Bible en Malgache Naringana ny mananaina rehetra izay tetỳ ambonin’ny tany, hatramin’ny olona ka hatramin’ny biby fiompy sy ny zava-mandady na mikisaka ary ny voromanidina; naringana tsy ho amin’ny tany ireny. Fa i Noa sy izay niara-nitoetra taminy tao anatin’ny sambofiara ihany no sisa velona. |
Indro Aho hahatonga safo-drano lehibe mba hamongorana izay rehetra manana aina atỳ ambany lanitra, ka ho levona avokoa izay rehetra eny ambonin’ny tany.
Dia nivoaka avy tao amin’ny sambofiara i Noà sy ny vadiny sy ireo zanany lahy ary ireo vinantovaviny.
Hamonjy anao amin’ny fahoriana matetika Izy; ka amin’ny farany tsy hahavoa anao intsony ny loza.
Izay mipetraka ao amin’ny fialofan’ilay Avo Indrindra dia mitoetra eo ambany fiarovan’Andriamanitra Tsitoha,
Eny, na misy olona arivo aza maty eo akaikinao ary na iray alina aza miampatra eo ankavananao, dia tsy hisy loza hihatra aminao akory.
Tsy misy ilana ny harena amin’ny andro fitsarana; fa ny fahamarinana no manafaka amin’ny fahafatesana.
Dia hiroso ho any amin’ny fijaliana maharitra mandrakizay ireo fa ny olo-marina kosa ho any amin’ny fiaina-maharitra mandrakizay.
Finoana no nanoavan’i Noà tamim-panajana, fony izy notoroan’Andriamanitra hevitra ny amin’ny zava-hitranga tsy mbola hita; dia nandrafitra sambofiara i Noà hamonjena ny tenany sy ny ankohonany. Izany no nanamelohan’i Noà an’izao tontolo izao, fa nahatonga azy kosa handray ny fahamarinana avy amin’Andriamanitra noho ny finoany.
dia ireo fanahin’ny olona tsy nanaiky an’Andriamanitra, fony Andriamanitra nampiseho ny fahari-pony tamin’ny andro nanamboaran’i Noà ny sambofiara. Olona vitsy ihany anefa, dia i Noà valo mianaka, no tafiditra tao anaty sambofiara ka voavonjy tamin’ny rano.
Izao tontolo izao koa fahiny dia tsy namindran’Andriamanitra fo, satria henika olona ratsy fanahy, ka nataony tonga teo amin’izao tontolo izao ny safodrano; i Noà valo mianaka ihany no narovan’Andriamanitra, noho i Noà mpitory ny fahamarinana soritan’Andriamanitra.
Araka izany, dia hain’ny Tompo ny manala ny mpiraiki-po aminy ho afaka amin’ny fitsapana manjo azy, sy ny mitahiry ny ratsy fanahy mba hosazîna amin’ny andro fitsarana,