Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




2Petera 2:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Araka izany, dia hain’ny Tompo ny manala ny mpiraiki-po aminy ho afaka amin’ny fitsapana manjo azy, sy ny mitahiry ny ratsy fanahy mba hosazîna amin’ny andro fitsarana,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 raha izany rehetra izany dia hain’ny Tompo ny hamonjeny ny tsara fanahy amin’ny fizahan-toetra sy ny hitahirizany ny olona tsy marina amin’ny fijaliana ho amin’ny andro fitsarana,

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Araka izany, dia hain’ny Tompo ny manala ny mpiraiki-po aminy ho afaka amin’ny fitsapana manjo azy, sy ny mitahiry ny ratsy fanahy mba hosazîna amin’ny andro fitsarana,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 dia satria hain’Izy Tompo ny manafaka ny olona tsara fanahy amin’ny fahoriana itsapany azy, sy ny mitahiry ho amin’ny andron’ny fitsarana ny ratsy fanahy mba hosazina,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 dia fantatry ny Tompo izay hamonjeny ny tsara fanahy amin’ny fakam-panahy sy ny hitehirizany ny olona tsy marina amin’ny fijaliana ho amin’ny andro fitsarana,–

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 dia fantatry ny Tompo izay hamonjeny ny tsara fanahy amin'ny fakam-panahy sy ny hitehirizany ny olona tsy marina amin'ny fijaliana ho amin'ny andro fitsarana,-

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 raha izany rehetra izany dia hain’ny Tompo ny hamonjeny ny tsara fanahy amin’ny fizahan-toetra sy ny hitahirizany ny olona tsy marina amin’ny fijaliana ho amin’ny andro fitsarana,

Jereo ny toko dika mitovy




2Petera 2:9
22 Rohy Ifampitohizana  

Raha avy ny loza, afaka ihany ny olon-dratsy, raha tonga ny fahatezerana, dia voaaro izy.


Hamonjy anao amin’ny fahoriana matetika Izy; ka amin’ny farany tsy hahavoa anao intsony ny loza.


Tao amin’ny tahirin-kiran’ny filohan’antoko-mpihira. Hampiarahina amin’ny valiha torifolo. Salamo nataon’i Davida.


Ny mpivavaka marina rehetra dia tokony hitalaho aminao toy izany amin’ny fotoana ilàny vonjy aminao; ka na toa ranobe hitelina aza ny loza, dia tsy hahatratra azy akory izany.


Miankîna am-paharetana amin’ny TOMPO ka ny lalana soritany no araho;


Mandra-pahoviana, rey olona, no handotoanareo ny voninahitro? Ny hanendrikendrika ahy tsy amin’antony sy ny hamoron-dainga hiampangana ahy: izany no kendrenareo hatrany hatrany. Fiatoana


Ny olon-dratsy voafandriky ny laingany ihany; fa ny olo-marina kosa afa-miala amin’ny fahoriana.


Samy misy antony avokoa ny zava-drehetra nataon’ny TOMPO; ka na dia ny ratsy fanahy aza dia nataony ho amin’ny androm-pamaizana.


Lazaiko marina aminareo fa amin’ny andro fitsarana dia ho azoazo kokoa ny sazy hihatra amin’i Sôdôma sy i Gômôra noho ny hihatra amin’izany tanàna izany!


aza avela ho azon’ny fakampanahy izahay, fa manafaha anay amin’ilay Ratsy! [Anao ny fanjakana sy ny hery, Anao ny voninahitra mandrakizay! *Amen.]


Maditra ianao ary tsy mety mamerina ny fonao aminy, ka dia fahatezeran’Andriamanitra no avosanao ho an’ny tenanao. Fa ho avy ny andro hampisehoan’Andriamanitra ny fahatezerany sy hitsarany an-karihary ny olombelona ara-drariny,


Tsy nisy fakampanahy nianjady taminareo afa-tsy izay mpahazo ny olombelona. Fa mitana ny toky nomeny Andriamanitra ka tsy hamela anareo halaim-panahy mihoatra noho izay zakan’ny herinareo. Rehefa ianjadian’ny fakampanahy kosa ianareo, dia homeny hery hahazakanareo sy homeny lalana hahafahanareo.


Eny, izay te hiaina araka ny maha mpivavaka tafaray amin’i Kristy Jesoa dia hoenjehina.


I Jesoa Kristy dia nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin’ny ratsy rehetra ka hahatonga antsika ho vahoaka voadio, natao ho Azy tokoa sy hazoto hanatontosa asa tsara.


Ireo anjely, fony nanota, dia tsy namindran’Andriamanitra fo, fa noroahiny ho any amin’ny toeran’ny maty ka natolony ho ao an-davaka maizina mangitsokitsoka izay itanana azy ho amin’ny fitsarana.


Izao habakabaka sy tany ankehitriny izao kosa dia mbola ny tenin’Andriamanitra no mihazona azy, ka voatahiry hodorana amin’ny andro fitsarana izay natao hamerezana ny olona tsy niraiki-po tamin’Andriamanitra.


ary ny anjely izay tsy nitana ny fiamboniana nomena azy fa nandao ny fonenany, dia tazonin’ny Tompo am-patorana mandrakizay ao anaty haizina mandra-pahatongan’ny andro lehibe hanamelohana azy;


Ary noho ianao nitandrina ny teniko ny amin’ny faharetana, izaho kosa hiaro anao ho afaka amin’ilay andro fizahan-toetra, izay efa hihatra amin’izao tontolo izao mba hitsapana ny mponina eto ambonin’ny tany.


Koa mifohaza maraina be ianao sy ireo mpanompo izay niara-dia taminao; samia mifoha maraina ianareo, ary mandehana rehefa mazava ny andro.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra