Naharitra efapolo andro ny safo-drano teny ambonin’ny tany. Rehefa nitombo ny rano, dia nanainga ny sambofiara, hitsinkafona hiala amin’ny tany.
Genesisy 7:12 - DIEM PROTESTANTA Dia avy be ny orana teny ambonin’ny tany nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nisy ranonorana nivatravatra tamin’ny tany nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia avy be ny orana teny ambonin’ny tany nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina. Baiboly Katolika ary nilatsaka tamin’ny tany ny ranonorana nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina. Baiboly Protestanta Malagasy Dia nisy ranonorana nivatravatra tamin’ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina. Malagasy Bible Dia nisy ranonorana nivatravatra tamin'ny tany efa-polo andro sy efa-polo alina. La Bible en Malgache Dia nisy ranonorana nivatravatra tamin’ny tany nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina. |
Naharitra efapolo andro ny safo-drano teny ambonin’ny tany. Rehefa nitombo ny rano, dia nanainga ny sambofiara, hitsinkafona hiala amin’ny tany.
Fa herinandro sisa dia hampilatsaka ranonorana mandritra ny efapolo andro sy efapolo alina amin’ny tany Aho, ka hofoanako eo amin’ny velaran’ny tany ireo zava-mananaina rehetra nataoko.
Nihidy ny loharano niboiboika avy any ambanin’ny tany sy ny varavaran’ny lanitra, ary nitsahatra ny ranonorana.
Dia nifoha i Elià ka nihinana sy nisotro. Rehefa nahazo hery tamin’izay nohaniny izy, dia nandeha efapolo andro sy efapolo alina hatrany Hôreba tendrombohitr’Andriamanitra.
Niditra tao afovoan’ny rahona i Mosesy, ka nanohy niakatra ny tendrombohitra ary nijanona tao an-tendrombohitra nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina.
Efapolo andro sy efapolo alina tahaka ny teo aloha ihany no nitoerako tany an-tendrombohitra; ary mbola nihaino ahy koa ny TOMPO tamin’ity indray maka ity, ka tsy sitrany hofongorana ianareo.
Ary niankohoka teo anatrehan’ny TOMPO efapolo andro sy efapolo alina tahaka ny teo aloha indray aho, tsy nihinan-kanina na nisotro rano. Ny fahotana rehetra vitanareo tamin’ny nanaovanareo izay ratsy teo imason’ny TOMPO ka nampahatezeranareo Azy no anton’izany.
Niakatra tao an-tendrombohitra manko aho handray ny takela-bato, dia ireo takela-bato anankiroa nirakitra ny fanekempihavanana nataon’ny TOMPO taminareo; ary nitoetra efapolo andro sy efapolo alina tao aho, tsy nihinan-kanina na nisotro rano.