Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 7:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Naharitra efapolo andro ny safo-drano teny ambonin’ny tany. Rehefa nitombo ny rano, dia nanainga ny sambofiara, hitsinkafona hiala amin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Naharitra efapolo andro tetỳ ambonin’ny tany ny safodrano ka niakatra ny rano dia nanainga ny sambofiara, ary nitsinkafona niala tamin’ny tany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Naharitra efapolo andro ny safo-drano teny ambonin’ny tany. Rehefa nitombo ny rano, dia nanainga ny sambofiara, hitsinkafona hiala amin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 Naharitra efapolo andro teo amin’ny tany ny safodrano. Nitombo be ny rano dia naingainy ny sambo fiara, ary nisavoana tambonin’ny tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Ary naharitra efa-polo andro tambonin’ny tany ny safo-drano, dia tonga betsaka ny rano ka nanainga ny sambo-fiara, dia nitsinkafona ho akafa amin’ny tany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Ary naharitra efa-polo andro tambonin'ny tany ny safo-drano, dia tonga betsaka ny rano ka nanainga ny sambo-fiara, dia nitsinkafona ho afaka amin'ny tany izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

17 Naharitra efapolo andro tetỳ ambonin’ny tany ny safodrano ka niakatra ny rano dia nanainga ny sambofiara, ary nitsinkafona niala tamin’ny tany izy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 7:17
5 Rohy Ifampitohizana  

Dia avy be ny orana teny ambonin’ny tany nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina.


Lahy sy vavy tamin’ireo zava-mananaina rehetra ireo no niditra tao, araka izay efa nandidian’Andriamanitra an’i Noà. Avy eo dia nohidin’ny TOMPO ny varavarana.


Ary nihanahery ny rano sady nitombo be dia be, ka dia nandeha teny ambony rano ny sambofiara.


Fa herinandro sisa dia hampilatsaka ranonorana mandritra ny efapolo andro sy efapolo alina amin’ny tany Aho, ka hofoanako eo amin’ny velaran’ny tany ireo zava-mananaina rehetra nataoko.


Nanorina ny lapany any an-danitra Andriamanitra, ka ny tany no iorenan’ny andohalambon’ny lanitra; miantso ny rano eny an-dranomasina Izy ka mampilatsaka azy etỳ ambonin’ny tany. Ny TOMPO no anarany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra