Dia nahary ny olombelona mitovy endrika aminy tokoa Andriamanitra; lehilahy sy vehivavy no nahariany azy.
Genesisy 5:2 - DIEM PROTESTANTA Lehilahy sy vehivavy no nahariany azy, dia nitsodrano azy Izy ka niantso azy hoe olombelona tamin’ny andro nahariany azy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Lahy sy vavy no nahariany azy ireo; dia nitahy azy Izy ka nanao ny anarany hoe Adama, tamin’ny andro nahariany azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Lehilahy sy vehivavy no nahariany azy, dia nitsodrano azy Izy ka niantso azy hoe olombelona tamin’ny andro nahariany azy. Baiboly Katolika Lahy sy vavy no nahariany azy; ary notsofiny rano izy, ary nomeny anarana hoe Olombelona, tamin’ny nahariany azy. Baiboly Protestanta Malagasy lahy sy vavy no namoronany azy; dia nitahy azy Izy ka nanao ny anarany hoe Adama tamin’ny andro namoronany azy. Malagasy Bible lahy sy vavy no namoronany azy; dia nitahy azy Izy ka nanao ny anarany hoe Adama tamin'ny andro namoronany azy. La Bible en Malgache Lahy sy vavy no nahariany azy ireo; dia nitahy azy Izy ka nanao ny anarany hoe Adama, tamin’ny andro nahariany azy. |
Dia nahary ny olombelona mitovy endrika aminy tokoa Andriamanitra; lehilahy sy vehivavy no nahariany azy.
Nitsodrano azy Andriamanitra ka nanao taminy hoe: «Miteraha maro sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany mba hifehy azy. Anjakao ny trondro any an-dranomasina sy ny voro-manidina eny an-danitra ary ny biby rehetra mihetsiketsika ambonin’ny tany.»
Ary nalain’ny TOMPO Andriamanitra raolombelona ka napetrany tao amin’ny zaridainan’i Hedena mba hanolokolo sy hitandrina azy.
Tamin’izay dia hoy raolombelona hoe: «Ity ahay mba mitovy amiko, fa taolana avy amin’ny taolako ity sady nofo avy amin’ny nofoko; hatao hoe vehivavy ity, satria lehilahy no nanalana azy.»
Rehefa feno 130 taona i Adama, dia niteraka zazalahy manahaka azy sy mitovy endrika aminy ary nantsoiny hoe Seta.
Tsy efa nataon’ny TOMPO ho tena iray amin’ny vadinareo ve ianareo, ara-batana sy ara-panahy? Ary inona no tadiavin’izany tena iray izany? Moa va tsy ny hanan-taranaka araka an’Andriamanitra? Koa dia mitandrema tena ianareo, aza ilaozana ny vadin’ny fahatanoranareo.
Dia izao no navalin’i Jesoa: –Tsy mbola novakînareo tao amin’ny Soratra Masina ve fa ilay Mpahary, hatrany am-piandohana, dia «nanao ny olona ho lahy sy vavy»,
Fa hatrany am-piandohana, fony nahary izao tontolo izao Andriamanitra, «dia nanao ny olona ho lahy sy vavy.»
Noarîny avy amin’olona anankiray ny firenena rehetra mba honina manerana ny tany tontolo; ary nofariparitany koa ny vanim-potoana hiainany sy ny zaratany honenany.