Rehefa feno efapolo taona izy dia nanambady an’i Rebekà, anabavin’i Labàna sady zanakavavin’i Betoela izay Aramianina tao Padàna-Arama.
Genesisy 48:7 - DIEM PROTESTANTA Fony aho niverina avy any Mezôpôtamia ambony, talohan’ny hahatongavana tao Efratà, any amin’ny tany Kanahàna, dia maty teo anilako i Rahely ary naleviko teo amoron-dàlana; i Efratà dia antsoina hoe Betlehema ankehitriny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Raha niala tany Padana-Arama aho dia maty teo anatrehako Rahely, tany amin’ny tany Kanana, teny an-dalana, rehefa kely foana no tsy nahatongavana tao Efrata ary teo amoron’ny lalana mankany Efrata na Betlehema no nandevenako azy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Fony aho niverina avy any Mezôpôtamia ambony, talohan’ny hahatongavana tao Efratà, any amin’ny tany Kanahàna, dia maty teo anilako i Rahely ary naleviko teo amoron-dàlana; i Efratà dia antsoina hoe Betlehema ankehitriny. Baiboly Katolika Ary izaho fony niverina avy any Padàna dia maty teo anatrehako teny an-dalana i Rasela tany amin’ny tany Kanaana, efa mby lavitra akaiky an’i Efratà, ka dia naleviko teo, amin’ny lalana mankany Efratà, dia Betlehema izany.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary izaho, raha niala tany Mesopotamia aho, dia maty teo anatrehako Rahely tany amin’ny tany Kanana, tany an-dàlana, rehefa kely foana no sisa tsy nahatongavana tao Efrata; ary nandevina azy aho teo amoron’ny làlana mankany Efrata (Betlehema izany). Malagasy Bible Ary izaho, raha niala tany Mesopotamia aho, dia maty teo anatrehako Rahely tany amin'ny tany Kanana, tany an-dalana, rehefa kely foana no sisa tsy nahatongavana tao Efrata, ary nandevina azy aho teo amoron'ny lalana mankany Efrata (Betlehema izany). La Bible en Malgache Raha niala tany Padana-Arama aho dia maty teo anatrehako Rahely, tany amin’ny tany Kanana, teny an-dalana, rehefa kely foana no tsy nahatongavana tao Efrata ary teo amoron’ny lalana mankany Efrata na Betlehema no nandevenako azy. |
Rehefa feno efapolo taona izy dia nanambady an’i Rebekà, anabavin’i Labàna sady zanakavavin’i Betoela izay Aramianina tao Padàna-Arama.
Rehefa niverina avy tany Mezôpôtamia ambony i Jakôba, dia tonga soa aman-tsara tao an-tanàna Sekema izay eo amin’ny tany Kanahàna; dia nitoby teo akaikin’ny tanàna izy.
Dia nanorenan’i Jakôba tsangambato teo ambonin’ny fasany izay mbola antsoina mandraka androany hoe Tsangambatom-pasan’i Rahely.
Rehefa niverina avy tany Mezôpôtamia ambony i Jakôba, dia nisehoan’Andriamanitra indray sady notsofiny rano
Fa ireo zanakao lahy izay ho teraka aorian’ireo kosa dia ho anao ihany. Ao amin’ny faritanin’ireo zokiny ihany no handraisan’izy roa lahy ny anjara lovany.
–Noho izany, ny Tompo dia hanolotra ny vahoakany amin’ny fahavalo mandra-piavin’ny andro hahatera-dahy ny vehivavy iray; ka izay sisa velona, amin’ireo rahalahiny voasesi-tany, dia hiverina ho any amin’ireo Israelita namany.
«Injay nisy fitomaniana sy dradradradra tsy anerany heno tao Ramà: I Rahely no nitomany ny zanany, ka tsy nety nampiononina satria tsy eo intsony ireny!»
I Elimelèka no anaran-dralehilahy, i Nahômỳ no anaran’ny vadiny, ary ny anaran’ny zanany roa lahy kosa dia i Mahalôna sy i Kiliôna; Efratîta avy ao Betleheman’i Joda izy efa-mianaka. Tonga tany amin’ny faritr’i Môaba izy ireo; fony izy mianakavy nonina tany
Tao Ramà, tany amin’ny faritra be tendrombohitra any Efraîma, dia nisy lehilahy anankiray anisan’ny taranak’i Tsofo. Io lehilahy io dia natao hoe Elkanà, zanak’i Jerohama, zafikelin’i Elihò, zafiafin’i Tôhò ary zafindohalik’i Tsofo.
Anio, rehefa tafasaraka isika, dia hihaona amin’ny lehilahy anankiroa ianao, eo akaikin’ny fasan’i Rahely ao Tselitsà amin’ny faritanin’i Benjamîna; ary izy ireo hiteny aminao hoe: «Efa hita ireo borikivavy izay notadiavinao; ary ankehitriny dia tsy ny borikiny intsony no mampanahy ny rainao, fa ianareo indray. Koa dia nanontany ny amin’izay tokony hataony hahitany an-janany izy.»
Narahin’i Samoela izay voalazan’ny TOMPO, ka dia tonga tany Betlehema izy. Ary ny loholona tao an-tanàna nirohotra nitsena azy ka nanao hoe: –Fiadanana ve no nahatongavanao?
I Davida dia zanakalahin’i Jisay avy amin’ny terak’i Efratà, izay nonina tany Betleheman’i Joda; nanan-janaka valo mirahalahy i Jisay izay efa tena antitra tamin’ny andron’i Saoly.