Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Matio 2:18 - DIEM PROTESTANTA

18 «Injay nisy fitomaniana sy dradradradra tsy anerany heno tao Ramà: I Rahely no nitomany ny zanany, ka tsy nety nampiononina satria tsy eo intsony ireny!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

18 «Nisy feo re tao Rama, dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra; nitomany ny zanany Rahely, ary tsy azo nampiononina izy satria lany ritra ireny.» (Jer 31.15)

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

18 «Injay nisy fitomaniana sy dradradradra tsy anerany heno tao Ramà: I Rahely no nitomany ny zanany, ka tsy nety nampiononina satria tsy eo intsony ireny!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

18 «Nisy feo re tao Ramà, dia fitomaniana sy fidradradradràna mafy: i Rasela nitomany ny zanany, ka tsy azo nampiononina, fa tsy eo intsony ireny.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

18 ,,Nisy feo re tao Rama, Dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra; Rahely nitomany ny zanany, Ary tsy azo nampiononina izy, satria lany ritra ireny’’ (Jer. 31.15).

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

18 Nisy feo re tao Rama, dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra; Rahely nitomany ny zanany, Ary tsy azo nampiononina izy, satria lany ritra ireny (Jer. 31. 15).

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

18 «Nisy feo re tao Rama, dia fidradradradrana sy fitomaniana fatratra; nitomany ny zanany Rahely, ary tsy azo nampiononina izy satria lany ritra ireny.» (Jer 31.15)

Jereo ny toko dika mitovy




Matio 2:18
12 Rohy Ifampitohizana  

Niverina nankeo amin’ireo rahalahiny izy ka niantsoantso hoe: –Tsy ao intsony ny zaza, ka aiza no tany halehako?


Ka hoy i Jakôba rainy taminy: –Tianareo tsy hanan-janaka ve aho? I Jôsefa efa tsy eo, i Simehôna koa efa tsy eo, ary izao dia halainareo amiko indray i Benjamîna! Izaho no ianjadian’izany rehetra izany.


Fa ny olona kosa maty dia manjavona; ary aiza moa izy, rehefa miala aina?


Izao no lazain’ny TOMPO: Nisy fitarainana heno tao Ramà, dia fitomaniana sy fidradradradrana mafy. I Rahely no mitomany ny zanany; ka tsy mety nampiononina izy satria tsy eo intsony ny zanany.»


Nandre feo toy ny an’ny vehivavy miteraka aho, dia kiakiakan’ny vehivavy miteraka ny voalohan-janany. Feon’ireo mponin’i Tsiôna izany, dia ireo mponina misefosefo sady maninji-tanana miangavy hoe: «Lozanay fa reraka ny ainay noho ny ataon’ireo mpamono olona!»


Noborahany teo anatrehako izany, ka voasoratra ny lafiny roa. Fitarainana sy toloko ary toreo no voasoratra tao.


Tamin’izay no tanteraka ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’i Jeremià mpaminany hoe:


Nitomany sy nandondòn-tratra nisaona an-drazazavavy ny olona rehetra teo, ka hoy i Jesoa hoe: –Aoka izay ny ranomaso! Tsy maty akory izy fa matory.


Dia nahita voromahery anankiray nanidina teny afovoan’ny habakabaka aho ary nahare azy niantso tamin’ny feo mahery hoe: «Loza! Loza! Loza ho an’ireo monina eny ambonin’ny tany noho ny feon’ny trompetra sisa efa hotsofin’ireo anjely telo!»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra