Ireo Midianita kosa nivarotra an’i Jôsefa tany Ejipta tamin’i Pôtifara, tandapan’ny Farao sady lehiben’ny mpiambina azy.
Genesisy 41:12 - DIEM PROTESTANTA Tao an-tranomaizina niaraka taminay dia nisy zatovolahy hebreo izay nanompo ny lehiben’ny fiambena-mpanjaka. Notantarainay azy ny nofinay, ka nambarany taminay avy ny heviny sy ny dikany. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary tao aminay dia nisy zatovo hebreo iray, mpanompon’ny lehiben’ny mpiambina. Nambaranay taminy ny nofinay ka nolazainy taminay ny heviny. Samy nilazany araka ny nofinay avy izahay. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tao an-tranomaizina niaraka taminay dia nisy zatovolahy hebreo izay nanompo ny lehiben’ny fiambena-mpanjaka. Notantarainay azy ny nofinay, ka nambarany taminay avy ny heviny sy ny dikany. Baiboly Katolika Niaraka taminay kosa, dia nisy tao zatovo Hebrio, mpanompon’ny lehiben’ny mpiambina, nitantarànay ny nofinay, ka nambarany taminay ny heviny, samy nilazany ny hevitry ny azy avy izahay, Baiboly Protestanta Malagasy Ary tao aminay dia nisy zatovo Hebreo anankiray, mpanompon’ny mpifehy ny mpiambina; dia nambaranay taminy ny nofinay, ka nolazainy taminay ny heviny; samy nilazany araka ny nofinay avy izahay. Malagasy Bible Ary tao aminay dia nisy zatovo Hebreo anankiray, mpanompon'ny mpifehy ny mpiambina; dia nambaranay taminy ny nofinay, ka nolazainy taminay ny heviny; samy nilazany araka ny nofinay avy izahay. La Bible en Malgache Ary tao aminay dia nisy zatovo hebreo iray, mpanompon’ny lehiben’ny mpiambina. Nambaranay taminy ny nofinay ka nolazainy taminay ny heviny. Samy nilazany araka ny nofinay avy izahay. |
Ireo Midianita kosa nivarotra an’i Jôsefa tany Ejipta tamin’i Pôtifara, tandapan’ny Farao sady lehiben’ny mpiambina azy.
Tafidina tany Ejipta i Jôsefa, satria ireo Jismahelita no nitondra azy tany. Lehilahy ejiptianina atao hoe Pôtifara, tandapan’ny Farao sady lehiben’ny mpiambina, no nividy azy tamin’ny Jismahelita.
Koa nasain’i Pôtifara nosamborina i Jôsefa sy nasainy nohidîna tao am-ponja izay nisy ireo mpigadra meloka tamin’ny mpanjaka. Fa raha tao am-ponja i Jôsefa,
Ireo zatovo efa-dahy ireo dia nomen’Andriamanitra fahaizana amam-pahalalana amin’ny sehatra rehetra momba ny soratra sy ny fahendrena; ary i Daniela nahafantatra ny hevitry ny fahitana sy nofy rehetra.