Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 39:1 - DIEM PROTESTANTA

1 Tafidina tany Ejipta i Jôsefa, satria ireo Jismahelita no nitondra azy tany. Lehilahy ejiptianina atao hoe Pôtifara, tandapan’ny Farao sady lehiben’ny mpiambina, no nividy azy tamin’ny Jismahelita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Ary i Josefa dia noentina nidina ho any Ejipta ka i Potifara, lehilahy ejiptiana, tandapan’i Farao sady lehiben’ny mpiambina, no nividy azy tamin’ireo Ismaelita izay nitondra azy nidina tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Tafidina tany Ejipta i Jôsefa, satria ireo Jismahelita no nitondra azy tany. Lehilahy ejiptianina atao hoe Pôtifara, tandapan’ny Farao sady lehiben’ny mpiambina, no nividy azy tamin’ny Jismahelita.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

1 Nentina tany Ejipta i Josefa, ary i Potifara, Ejiptianina, tandapan’i Faraôna, lehiben’ny mpiambina, no nividy azy tamin’ny Ismaelita, izay nitondra azy tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 ARY Josefa nentina nidina ho any Egypta; ary Potifara, lehilahy Egyptiana, tandapan’i Farao sady mpifehy ny mpiambina, no nividy azy tamin’ny Isimaelita, izay nitondra azy nidina tany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Ary Josefa nentina nidina ho any Egypta; ary Potifara, lehilahy Egyptiana, tandapan'i Farao sady mpifehy ny mpiambina, no nividy azy tamin'ny Isimaelita, izay nitondra azy nidina tany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Ary i Josefa dia noentina nidina ho any Ejipta ka i Potifara, lehilahy ejiptiana, tandapan’i Farao sady lehiben’ny mpiambina, no nividy azy tamin’ireo Ismaelita izay nitondra azy nidina tany.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 39:1
7 Rohy Ifampitohizana  

Avy eo dia nipetraka nihinana ireo, ary nitazana ka nahatsinjo andiana Jismahelita nandalo avy any Gilehada, nitanjozotra nidina ho any Ejipta. Ireo ramevany dia mitondra ditin-kazo manitra toy ny nekôta sy balsama ary làdana.


Raha nandalo ireo lehilahy midianita mpivarotra, dia nakariny avy tao an-davaka i Jôsefa ary namidiny sekela volafotsy roapolo tamin’ny Ismaelita izay nitondra azy nankany Ejipta.


Ireo Midianita kosa nivarotra an’i Jôsefa tany Ejipta tamin’i Pôtifara, tandapan’ny Farao sady lehiben’ny mpiambina azy.


ka nampanao azy an-tranomaizina; ny fonenan’ilay lehiben’ny mpiambina no nisy io tranomaizina io, dia ny fonja izay nigadran’i Jôsefa.


Ka hoy indray i Jôsefa tamin’ireo rahalahiny: –Avia manatòna ahy ianareo. Dia nanatona ireo. Ary hoy koa i Jôsefa hoe: –Izaho no Jôsefa rahalahinareo izay namidinareo mba hoentina aty Ejipta.


Nefa naniraka olona hialoha an’ireo Izy, dia i Jôsefa izay namidy handevozina.


Nialona an’i Jôsefa ireo razambe rahalahiny ka nivarotra azy ary nahatonga azy ho andevo tany Ejipta. Kanefa nombàn’Andriamanitra i Jôsefa,


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra