Genesisy 40:7 - DIEM PROTESTANTA ka nanontany azy hoe: –Nahoana no malahelo tarehy ianareo androany? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nanontanian’i Josefa ireo tandapan’i Farao izay niara-nifatotra taminy tao an-tranon’ny tompony; hoy izy: Nahoana no malahelo tarehy izato ianareo? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara ka nanontany azy hoe: –Nahoana no malahelo tarehy ianareo androany? Baiboly Katolika Dia nanontanian’i Josefa ireto mpanao raharahan’i Faraôna niara-notanana an-tranomaizina taminy, tao an-tranon’ny tompony, nataony hoe: «Nahoana izato ianareo no malahelo tarehy anio?» Baiboly Protestanta Malagasy Dia nanontanian’i Josefa ny tandapan’i Farao izay niara-nifatotra taminy tao an-tranon’ny tompony, ka hoy izy: Nahoana no malahelo tarehy izato hianareo ankehitriny? Malagasy Bible Dia nanontanian'i Josefa ny tandapan'i Farao izay niara-nifatotra taminy tao an-tranon'ny tompony, ka hoy izy: Nahoana no malahelo tarehy izato ianareo ankehitriny? La Bible en Malgache Dia nanontanian’i Josefa ireo tandapan’i Farao izay niara-nifatotra taminy tao an-tranon’ny tompony; hoy izy: Nahoana no malahelo tarehy izato ianareo? |
Ka hoy izy tamin’i Amnôna: –Fa nahoana no maloka endrika isan’andro toy izao ianao, ry zanaky ny mpanjaka? Tsy tianao lazaina amiko ve izany? Dia hoy i Amnôna taminy: –Tiako i Tamara anabavin’i Absalôma rahalahiko.
ka hoy izy tamiko: –Nahoana no malahelo tarehy ianao, kanefa tsy marary tsinona? Tsy zavatra hafa izao fa alahelom-po mihitsy. Dia raiki-tahotra mafy aho
Dia hoy i Jesoa taminy: –Inona izao iadianareo hevitra etỳ an-dalana izao? Dia niato kely izy roa lahy sady maloka endrika erỳ.
Dia namaly azy i Mikà hoe: –Nalainareo ireo andriamanitra izay namboariko ho ahy ary nentinareo ny mpisoroko, dia iny ianareo no lasa; ka tsy manana na inona na inona intsony aho. Koa mbola sahy manontany izay nahatonga ahy nanao izao ihany ve ianareo?
Dia hoy i Elkanà vadiny taminy: «Hanà ô, nahoana ange ianao no mitomany sy tsy mety mihinan-kanina? Nahoana koa ianao no malahelo toa izao, moa tsy mihoatra noho ny zanaka folo ve ny tenako aminao?»