Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 40:6 - DIEM PROTESTANTA

6 Nony maraina, rehefa tonga hijery azy ireo i Jôsefa, dia nahita azy nanjoretra,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Nony maraina ny andro dia nankao amin’izy ireo i Josefa ka nahita azy ireo nalahelo tarehy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Nony maraina, rehefa tonga hijery azy ireo i Jôsefa, dia nahita azy nanjoretra,

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Nony tonga teo amin’izy ireo i Josefa ny maraina, dia nijery azy, ka indreo nalahelo tarehy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ary Josefa nankao aminy nony maraina ny andro ka nahita azy, fa, indreo, nalahelo tarehy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ary Josefa nankao aminy nony maraina ny andro ka nahita azy, fa, indreo, nalahelo tarehy izy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

6 Nony maraina ny andro dia nankao amin’izy ireo i Josefa ka nahita azy ireo nalahelo tarehy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 40:6
9 Rohy Ifampitohizana  

Indray alina dia samy nanonofy tao an-tranomaizina izy roa lahy, dia ny lehiben’ny mpandroso zava-pisotro ary koa ny mpanao mofon’ny mpanjakan’i Ejipta; ary samy nanana ny heviny avy ny nofiny.


ka nanontany azy hoe: –Nahoana no malahelo tarehy ianareo androany?


Dia novalian’izy roa lahy hoe: –Samy nanonofy izahay, nefa tsy misy olona mahalaza ny heviny. Hoy kosa i Jôsefa hoe: –Andriamanitra ihany no afaka manome ny heviny, fa mba tantarao amiko aloha ny nofinareo.


Nony maraina dia nampiantso ny mpimasy sy ny olon-kendry rehetra tao Ejipta ny Farao satria feno tebiteby. Notantarainy tamin’ireo ny nofiny, kanefa tsy nisy nahalaza ny heviny.


Nony farany, tonga teo anatrehako i Daniela izay atao hoe Beltesatsara araka ny anaran’ny andriamanitro sady entanin’ny fanahin’ireo andriamanitra masina; dia ny nofiko no nambarako teo anatrehany hoe:


dia nivaloarika ny tarehiny; nampitebiteby azy ny eritreriny, nivahavaha ny famavàn’ny vahiany ary nifampikitrana ny lohaliny.


«Mifarana eo ilay tantara. Fa ny amiko Daniela kosa dia nampitebiteby mafy ahy ny eritreritro ka nivaloarika ny tarehiko; nefa notehiriziko tao am-poko izany zavatra izany.»


Ary izaho Daniela dia reraka sy nandraiki-narary andro vitsivitsy. Avy eo dia nitsangana aho ka nanao ny raharahan’ny mpanjaka. Gaga tamin’izany fahitana izany aho satria tsy no fantatro ny heviny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra