Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 40:5 - DIEM PROTESTANTA

5 Indray alina dia samy nanonofy tao an-tranomaizina izy roa lahy, dia ny lehiben’ny mpandroso zava-pisotro ary koa ny mpanao mofon’ny mpanjakan’i Ejipta; ary samy nanana ny heviny avy ny nofiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

5 Indray alina, nanonofy izy roa lahy, dia ilay mpitondra kapoaka sy ilay mpanao mofon’ny mpanjakan’i Ejipta, izay nifatotra tao an-tranomaizina. Samy nanana ny nofiny izay samy nanana ny heviny avy izy roa lahy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

5 Indray alina dia samy nanonofy tao an-tranomaizina izy roa lahy, dia ny lehiben’ny mpandroso zava-pisotro ary koa ny mpanao mofon’ny mpanjakan’i Ejipta; ary samy nanana ny heviny avy ny nofiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

5 Samy nanonofy izy roalahy indray alina, dia ilay mpandroso divay sy ilay mpitantana mofon’ny mpanjakan’i Ejipta notanana tao an-tranomaizina; ka samy nanana ny nofiny, sy samy hafa ny hevitry ny nofiny.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

5 Ary nanonofy izy roa lahy indray alina, dia ilay mpitondra kapoaka sy ilay mpanao mofon’ny mpanjakan’i Egypta, izay nifatotra tao amin’ny trano-maizina, ka samy nanana ny nofiny araka ny hevitry ny nofiny avy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

5 Ary nanonofy izy roa lahy indray alina, dia ilay mpitondra kapoaka sy ilay mpanao mofon'ny mpanjakan'i Egypta, izay nifatotra tao amin'ny trano-maizina, ka samy nanana ny nofiny araka ny hevitry ny nofiny avy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

5 Indray alina, nanonofy izy roa lahy, dia ilay mpitondra kapoaka sy ilay mpanao mofon’ny mpanjakan’i Ejipta, izay nifatotra tao an-tranomaizina. Samy nanana ny nofiny izay samy nanana ny heviny avy izy roa lahy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 40:5
18 Rohy Ifampitohizana  

Niseho nofy tamin’i Abimelèka anefa Andriamanitra nony alina ka nanao taminy hoe: –Indro ho faty ianao noho ny amin’ny vehivavy izay nalainao, fa manam-bady izy io.


Taorian’izany zavatra izany dia nanao fahadisoana tamin’ny mpanjakan’i Ejipta tompony ny lehiben’ny mpandroso zava-pisotro ary koa ny lehiben’ny mpanao mofo.


Ilay lehiben’ny mpiambina kosa nametraka azy roa lahy teo ambany fitandreman’i Jôsefa; ary fotoana vitsivitsy no nitanana azy tao.


Nony maraina, rehefa tonga hijery azy ireo i Jôsefa, dia nahita azy nanjoretra,


Dia novalian’izy roa lahy hoe: –Samy nanonofy izahay, nefa tsy misy olona mahalaza ny heviny. Hoy kosa i Jôsefa hoe: –Andriamanitra ihany no afaka manome ny heviny, fa mba tantarao amiko aloha ny nofinareo.


Samy nanonofy izahay roa lahy indray alina, ary samy nanana ny heviny avy koa ny nofinay.


Tsy nahita tory ny amperôra tamin’iny alina iny ka nampaka ny boky fitadidiana milohateny hoe Asan’ireo amperôra; ary novakîna teo anatrehan’ny amperôra izany.


Ianao io hazo io, ry mpanjaka! Fa tonga lehibe sady matanjaka ianao; ny fahalehibeazanao dia nitombo ka nahatakatra ny lanitra, ary ny fanapahanao nipaka hatrany amin’ny faran’ny tany.


Nony farany, tonga teo anatrehako i Daniela izay atao hoe Beltesatsara araka ny anaran’ny andriamanitro sady entanin’ny fanahin’ireo andriamanitra masina; dia ny nofiko no nambarako teo anatrehany hoe:


Tsara tarehy ny raviny ary betsaka ny voany, sady nisy sakafo ho an’ny rehetra teo aminy. Tao ambaniny no nialokaloka ny bibidia, ary tao amin’ny rantsany no nitoetra ny voro-manidina. Ary ny miaina rehetra nahazo sakafo avy aminy.


ka hoy ny TOMPO taminy: –Henoy tsara ny teniko: Raha misy mpaminany eo aminareo, dia amin’ny fahitana no isehoako aminy, ary amin’ny nofy no itenenako aminy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra