Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 40:4 - DIEM PROTESTANTA

4 Ilay lehiben’ny mpiambina kosa nametraka azy roa lahy teo ambany fitandreman’i Jôsefa; ary fotoana vitsivitsy no nitanana azy tao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

4 Notendren’ny lehiben’ny mpiambina ho eo amin’izy roa lahy i Josefa ka nanompo azy ireo izy. Ary nitoetra andro maromaro tao amin’ny tranomaizina izy roa lahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

4 Ilay lehiben’ny mpiambina kosa nametraka azy roa lahy teo ambany fitandreman’i Jôsefa; ary fotoana vitsivitsy no nitanana azy tao.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

4 I Josefa no notendren’ny lehiben’ny mpiambina ho eo amin’izy roa lahy ireo, ka dia nanompo an’ireo izy, ary elaela ihany no tao an-tranomaizina ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

4 Ary Josefa notendren’ny mpifehy ny mpiambina ho eo amin’izy roa lahy, dia nanompo ireo izy; ary nitoetra andro maromaro tao amin’ny trano-maizina izy roa lahy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

4 Ary Josefa notendren'ny mpifehy ny mpiambina ho eo amin'izy roa lahy, dia nanompo ireo izy; ary nitoetra andro maromaro tao amin'ny trano-maizina izy roa lahy.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

4 Notendren’ny lehiben’ny mpiambina ho eo amin’izy roa lahy i Josefa ka nanompo azy ireo izy. Ary nitoetra andro maromaro tao amin’ny tranomaizina izy roa lahy.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 40:4
7 Rohy Ifampitohizana  

Ireo Midianita kosa nivarotra an’i Jôsefa tany Ejipta tamin’i Pôtifara, tandapan’ny Farao sady lehiben’ny mpiambina azy.


Tafidina tany Ejipta i Jôsefa, satria ireo Jismahelita no nitondra azy tany. Lehilahy ejiptianina atao hoe Pôtifara, tandapan’ny Farao sady lehiben’ny mpiambina, no nividy azy tamin’ny Jismahelita.


ka nampanao azy an-tranomaizina; ny fonenan’ilay lehiben’ny mpiambina no nisy io tranomaizina io, dia ny fonja izay nigadran’i Jôsefa.


Indray alina dia samy nanonofy tao an-tranomaizina izy roa lahy, dia ny lehiben’ny mpandroso zava-pisotro ary koa ny mpanao mofon’ny mpanjakan’i Ejipta; ary samy nanana ny heviny avy ny nofiny.


Nataon’i Jôsefa an-tranomaizina nandritra ny telo andro izy rehetra.


Ankino amin’ny TOMPO ny fiainanao, ka itokio Izy fa hanao izay mahasoa.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra