Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 40:8 - DIEM PROTESTANTA

8 Dia novalian’izy roa lahy hoe: –Samy nanonofy izahay, nefa tsy misy olona mahalaza ny heviny. Hoy kosa i Jôsefa hoe: –Andriamanitra ihany no afaka manome ny heviny, fa mba tantarao amiko aloha ny nofinareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

8 Hoy izy roa lahy taminy: Nanonofy izahay ary tsy misy mahalaza ny heviny. Dia hoy i Josefa: Tsy avy amin’Andriamanitra va ny filazana ny hevitry ny nofy? Miangavy anareo aho, lazao amiko izany nofinareo izany!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

8 Dia novalian’izy roa lahy hoe: –Samy nanonofy izahay, nefa tsy misy olona mahalaza ny heviny. Hoy kosa i Jôsefa hoe: –Andriamanitra ihany no afaka manome ny heviny, fa mba tantarao amiko aloha ny nofinareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

8 Ka hoy ireo: «Nanonofy izahay, ka tsy misy mahalaza ny heviny.» Ary hoy i Josefa taminy: «Moa tsy an’Andriamanitra va ny fanambaràn-javatra? Ka mba ambarao kely amiko izany.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

8 Ary hoy izy roa lahy taminy: Nanonofy izahay, ka tsy misy mahalaza ny heviny. Dia hoy Josefa taminy: Tsy avy amin’Andriamanitra va ny filazana ny hevitry ny nofy? Masìna hianareo, lazao amiko izany.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

8 Ary hoy izy roa lahy taminy: Nanonofy izahay, ka tsy misy mahalaza ny heviny. Dia hoy Josefa taminy: Tsy avy amin'Andriamanitra va ny filazana ny hevitry ny nofy? Masìna ianareo, lazao amiko izany.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

8 Hoy izy roa lahy taminy: Nanonofy izahay ary tsy misy mahalaza ny heviny. Dia hoy i Josefa: Tsy avy amin’Andriamanitra va ny filazana ny hevitry ny nofy? Miangavy anareo aho, lazao amiko izany nofinareo izany!

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 40:8
17 Rohy Ifampitohizana  

Dia nitantara ny nofiny tamin’i Jôsefa ilay lehiben’ny mpandroso zava-pisotron’ny mpanjaka, ka nanao hoe: –Nofiko fa nisy, hono foto-boaloboka iray teo anoloako.


Dia hoy i Jôsefa tamin’ny Farao: –Anankiray ihany no hevitr’ireo nofinao roa ireo. Izay efa hataon’Andriamanitra no ambarany aminao, ry Farao.


Raha misy anjely iray ao anatin’ny arivo tonga mba hanampy io olona io ka hampahafantatra azy ny adidiny,


Ireo mpanaja ny TOMPO no anehoany ny tsiambaratelony, satria ampahafantariny azy tokoa izay raketin’ny fanekempihavanany.


Misy milaza hoe: «Anontanionareo ny avelon’ny maty izay mibitsibitsika sy misaosao eo am-pilazana ny hoavy. Ara-dalàna raha manontany izay heveriny ho andriamanitra ny vahoaka iray; ara-dalàna raha manontany ny maty izy mba ho fanasoavana ny velona.»


Ary ny zavatra izay angatahinao dia faran’izay lalina, ka tsy misy afaka manambara azy eo anatrehanao raha tsy ireo andriamanitra izay tsy miara-monina amin’ny olombelona.


Dia namaly ny mpanjaka i Daniela ka nanao hoe: –Tsy misy olon-kendry na mpisikidy na mpanao majika na ombiasy afaka hanambara aminao ny zava-miafina izay anontanianao, ry mpanjaka!


Fa misy Andriamanitra any an-danitra ambony any Izay mampiseho ny zava-miafina, ka Izy no nampahafantatra an’i Nebokadnetsara mpanjaka izay hiseho amin’ny hoavy. Koa izao àry ny nofinao sy ny fahitana tao an-tsainao teo am-pandriana.


dia nilazany hoe: –Nanonofy aho ka nampitebiteby ahy izany; liana te hahalala ilay nofy aho.


Izay ny mpanjaka vao namaly an’i Daniela ka nanao hoe: –Marina tokoa fa ny Andriamanitrareo no Andriamanitry ny andriamanitra sy Tompon’ny mpanjaka ary mpanambara ny zava-miafina, matoa afaka nanambara tamiko izany zava-miafina izany ianao.


Nitombo sy nihanatanjaka io hazo io, ka ny haavony nahatakatra ny lanitra; ary tazana hatrany amin’ny faran’ny tany izy.


Nandre ny momba anao aho, fa ianao no mahalaza hevi-javatra sy mamaha olana; ankehitriny raha mahay mamaky io soratra io sy mampahafantatra ahy ny heviny ianao, dia hampiakanjoina jaky; sady hasiana volamena ny vozonao ary ho isan’ny telo lahy mpiara-mitantana eto amin’ny fanjakana ianao.


Satria tsy manao zavatra ny Tompo ANDRIANANAHARY, raha tsy efa mampahafantatra ny fikasany amin’ireo mpaminany mpanompony.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra