Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 40:9 - DIEM PROTESTANTA

9 Dia nitantara ny nofiny tamin’i Jôsefa ilay lehiben’ny mpandroso zava-pisotron’ny mpanjaka, ka nanao hoe: –Nofiko fa nisy, hono foto-boaloboka iray teo anoloako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

9 Dia nambaran’ny lehiben’ny mpitondra kapoaka tamin’i Josefa ny nofiny; hoy izy: Nofiko fa indro, hono, nisy tahom-boaloboka teo anatrehako.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

9 Dia nitantara ny nofiny tamin’i Jôsefa ilay lehiben’ny mpandroso zava-pisotron’ny mpanjaka, ka nanao hoe: –Nofiko fa nisy, hono foto-boaloboka iray teo anoloako.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

9 Dia notantarain’ny lehiben’ny mpandroso divay tamin’i Josefa ny nofiny, ka hoy izy: «Nofiko fa indro nisy foto-boaloboka teo anatrehako;

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

9 Dia nambaran’ny lehiben’ny mpitondra kapoaka tamin’i Josefa ny nofiny, ka hoy izy taminy: Nofiko fa indro, hono, nisy tahom-boaloboka teo anatrehako;

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

9 Dia nambaran'ny lehiben'ny mpitondra kapoaka tamin'i Josefa ny nofiny, ka hoy izy taminy: Nofiko fa indro, hono, nisy tahom-boaloboka teo anatrehako;

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

9 Dia nambaran’ny lehiben’ny mpitondra kapoaka tamin’i Josefa ny nofiny; hoy izy: Nofiko fa indro, hono, nisy tahom-boaloboka teo anatrehako.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 40:9
9 Rohy Ifampitohizana  

Taorian’izany zavatra izany dia nanao fahadisoana tamin’ny mpanjakan’i Ejipta tompony ny lehiben’ny mpandroso zava-pisotro ary koa ny lehiben’ny mpanao mofo.


Nisampana telo ilay foto-boaloboka, ka raha vao nitsimoka izy, dia namelana ary nisy voaloboka masaka an-tangozany.


Tezitra mafy tamin’ireo tandapany roa lahy ireo ny Farao,


Dia novalian’izy roa lahy hoe: –Samy nanonofy izahay, nefa tsy misy olona mahalaza ny heviny. Hoy kosa i Jôsefa hoe: –Andriamanitra ihany no afaka manome ny heviny, fa mba tantarao amiko aloha ny nofinareo.


«Ry mpanjaka ô, izao àry no hitanao: Nisy sarivongana iray tena lehibe nijoro teo anoloanao ary namirapiratra sady nahatahotra ny endriny.


Nitombo sy nihanatanjaka io hazo io, ka ny haavony nahatakatra ny lanitra; ary tazana hatrany amin’ny faran’ny tany izy.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra