Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 42:17 - DIEM PROTESTANTA

17 Nataon’i Jôsefa an-tranomaizina nandritra ny telo andro izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

17 Dia nataony tao an-tranomaizina hateloana izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

17 Nataon’i Jôsefa an-tranomaizina nandritra ny telo andro izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

17 Dia nasainy atao an-tranomaizina hateloana izy ireo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

17 Dia nataony tao an-trano-maizina hateloana izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

17 Dia nataony tao an-trano-maizina hateloana izy rehetra.

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 42:17
9 Rohy Ifampitohizana  

Ilay lehiben’ny mpiambina kosa nametraka azy roa lahy teo ambany fitandreman’i Jôsefa; ary fotoana vitsivitsy no nitanana azy tao.


ka nanontany azy hoe: –Nahoana no malahelo tarehy ianareo androany?


Indray mandeha dia tezitra mafy tamin’ny lehiben’ny mpanao mofo sy tamiko mpanomponao ianao, ka nampanao anay an-tranomaizina tao amin’ny lehiben’ny mpiambina.


Efa nasianao soa izaho mpanomponao, dia araka ny fampanantenànao, TOMPO ô.


Hangonina ho ao an-davaka toy ny gadra avokoa ireny, ka hohidiana an-tranomaizina; ary rehefa ela ny ela, dia hiseho fitsarana izy rehetra.


Dia nambenana io zanakalahin’i Selômita io, mandra-paneho mazava ny baikon’ny TOMPO.


Nosamborin’izy ireo i Petera sy i Jôhany, ary satria efa hariva ny andro, dia nataony am-ponja mandra-paharainan’ny andro.


ka nisambotra ny apôstôly sy nanao azy am-ponja.


Famaizana mandritra ny andro vitsivitsy ihany no nampiharin’ireo raintsika eto an-tany, araka izay heveriny fa mety; fa soa ho antsika kosa no amaizan’Andriamanitra antsika, dia ny mba hiombonantsika anjara amin’ny fahamasinany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra