Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Genesisy 42:16 - DIEM PROTESTANTA

16 Maniraha anankiray aminareo haka azy, fa ianareo sisa kosa dia hatao an-tranomaizina. Ho hita amin’izany ny fahamarinan’ny teninareo. Fa raha tsy izany kosa, velona ny Farao, ka manizinginzina aho fa mpitsikilo tokoa ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

16 Iraho ny iray aminareo, ary aoka izy haka ny zandrinareo, fa hafatotra ianareo mba hahazoana mamantatra ny teninareo raha marina na tsia; fa raha tsy izany, raha velona koa i Farao, dia mpitsikilo tokoa ianareo!

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

16 Maniraha anankiray aminareo haka azy, fa ianareo sisa kosa dia hatao an-tranomaizina. Ho hita amin’izany ny fahamarinan’ny teninareo. Fa raha tsy izany kosa, velona ny Farao, ka manizinginzina aho fa mpitsikilo tokoa ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

16 Ny iray aminareo alefao haka ilay rahalahinareo, fa ianareo sisa kosa mijanòna ao an-tranomaizina; izany no hanamarinana ny teninareo raha ao aminareo ny fahamarinana. Fa raha tsy izany, dia mpisafo tokoa ianareo, raha velona koa i Faraôna.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

16 Iraho ny anakiray aminareo, ary aoka izy haka ny zandrinareo, fa hianareo hafatotra, mba hofantarina ny teninareo, na marina na tsia; fa raha tsy izany, raha velona koa Farao, dia mpisafo tokoa hianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

16 Iraho ny anankiray aminareo, ary aoka izy haka ny zandrinareo, fa ianareo hafatotra, mba hofantarina ny teninareo, na marina na tsia; fa raha tsy izany, raha velona koa Farao, dia mpisafo tokoa ianareo.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

16 Iraho ny iray aminareo, ary aoka izy haka ny zandrinareo, fa hafatotra ianareo mba hahazoana mamantatra ny teninareo raha marina na tsia; fa raha tsy izany, raha velona koa i Farao, dia mpitsikilo tokoa ianareo!

Jereo ny toko dika mitovy




Genesisy 42:16
4 Rohy Ifampitohizana  

Zanak’olona iray ihany izahay rehetra ireto; olo-marina fa tsy mba mpitsikilo akory izahay mpanomponao.


–Ilay lehilahy tompon’ny tany dia nandrahona anay ka nilaza anay ho mpitsikilo.


dia hoy kosa ireo andrianan’ny Hamônita tamin’i Hanòna tompony: –Ataonao ve fa ho fanomezan’i Davida voninahitra an-drainao ihany no anirahany olona hitsapa alahelo anao? Moa ve tsy hizaha ny tanàna sy hitsikilo azy mba hahazoany mandrava azy no anirahan’i Davida minisitra hankatỳ aminao?


Ary i Josoa, zanakalahin’i Nona, dia nandefa mpitsikilo roa lahy mangingina avy tao an-tobin’i Sitima ka niteny taminy hoe: –Ndeha misafo ny tany ianareo, indrindra fa ny tanànan’i Jerikao. Nony tonga tao an-tanàna izy roa lahy, dia niditra tao an-tranon’ny vehivavy mpivaro-tena iray atao hoe Rahaba ka nandry tao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra