Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Genesisy 40:4 - DIEM PROTESTANTA

Ilay lehiben’ny mpiambina kosa nametraka azy roa lahy teo ambany fitandreman’i Jôsefa; ary fotoana vitsivitsy no nitanana azy tao.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Notendren’ny lehiben’ny mpiambina ho eo amin’izy roa lahy i Josefa ka nanompo azy ireo izy. Ary nitoetra andro maromaro tao amin’ny tranomaizina izy roa lahy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ilay lehiben’ny mpiambina kosa nametraka azy roa lahy teo ambany fitandreman’i Jôsefa; ary fotoana vitsivitsy no nitanana azy tao.

Jereo ny toko

Baiboly Katolika

I Josefa no notendren’ny lehiben’ny mpiambina ho eo amin’izy roa lahy ireo, ka dia nanompo an’ireo izy, ary elaela ihany no tao an-tranomaizina ireo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary Josefa notendren’ny mpifehy ny mpiambina ho eo amin’izy roa lahy, dia nanompo ireo izy; ary nitoetra andro maromaro tao amin’ny trano-maizina izy roa lahy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary Josefa notendren'ny mpifehy ny mpiambina ho eo amin'izy roa lahy, dia nanompo ireo izy; ary nitoetra andro maromaro tao amin'ny trano-maizina izy roa lahy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Notendren’ny lehiben’ny mpiambina ho eo amin’izy roa lahy i Josefa ka nanompo azy ireo izy. Ary nitoetra andro maromaro tao amin’ny tranomaizina izy roa lahy.

Jereo ny toko



Genesisy 40:4
7 Rohy Ifampitohizana  

Ireo Midianita kosa nivarotra an’i Jôsefa tany Ejipta tamin’i Pôtifara, tandapan’ny Farao sady lehiben’ny mpiambina azy.


Tafidina tany Ejipta i Jôsefa, satria ireo Jismahelita no nitondra azy tany. Lehilahy ejiptianina atao hoe Pôtifara, tandapan’ny Farao sady lehiben’ny mpiambina, no nividy azy tamin’ny Jismahelita.


ka nampanao azy an-tranomaizina; ny fonenan’ilay lehiben’ny mpiambina no nisy io tranomaizina io, dia ny fonja izay nigadran’i Jôsefa.


Indray alina dia samy nanonofy tao an-tranomaizina izy roa lahy, dia ny lehiben’ny mpandroso zava-pisotro ary koa ny mpanao mofon’ny mpanjakan’i Ejipta; ary samy nanana ny heviny avy ny nofiny.


Nataon’i Jôsefa an-tranomaizina nandritra ny telo andro izy rehetra.


Ankino amin’ny TOMPO ny fiainanao, ka itokio Izy fa hanao izay mahasoa.