Ary nony afaka elaela, dia maty ihany koa ny vadin’i Joda izany hoe ilay zanakavavin’i Sohà. Ary rehefa afa-tsaona i Joda, dia niakatra ho any Timnà niaraka tamin’i Hirà izay Hadolamita sakaizany mba hijery ireo mpanety ny ondriny.
Genesisy 38:1 - DIEM PROTESTANTA Tamin’izany fotoana izany dia niala teo amin’ny rahalahiny i Joda ka nidina tany Hadolama, ho any amin’ny lehilahy atao hoe Hirà. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Tamin’izany andro izany i Joda dia nidina niala teo amin’ny rahalahiny ka lasa nanatona ny lehilahy adolamita iray, izay nantsoina hoe Hirà. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Tamin’izany fotoana izany dia niala teo amin’ny rahalahiny i Joda ka nidina tany Hadolama, ho any amin’ny lehilahy atao hoe Hirà. Baiboly Katolika Tamin’izany andro izany, niala teo amin’ireo rahalahiny i Jodà, dia nidina ka tonga tany amin’ny lehilahy anankiray tao Odolama atao hoe Hirà. Baiboly Protestanta Malagasy ARY tamin’izany andro izany Joda dia nidina niala teo amin’ny rahalahiny ka lasa nanatona ny lehilahy Adolamita anankiray, Hira no anarany. Malagasy Bible Ary tamin'izany andro izany Joda dia nidina niala teo amin'ny rahalahiny ka lasa nanatona ny lehilahy Adolamita anankiray. Hira no anarany. La Bible en Malgache Tamin’izany andro izany i Joda dia nidina niala teo amin’ny rahalahiny ka lasa nanatona ny lehilahy adolamita iray, izay nantsoina hoe Hirà. |
Ary nony afaka elaela, dia maty ihany koa ny vadin’i Joda izany hoe ilay zanakavavin’i Sohà. Ary rehefa afa-tsaona i Joda, dia niakatra ho any Timnà niaraka tamin’i Hirà izay Hadolamita sakaizany mba hijery ireo mpanety ny ondriny.
Nirahin’i Joda ilay Hadolamita sakaizany mba hitondra ny zanak’osy ho any amin’ilay ramatoa sady haka ny tombokase; kanefa tsy nahita azy ralehilahy,
Indray andro tamin’ny fararano, dia nisy telo lahy anisan’ny «andian’ny telopolo lahy» nidina ka tonga tany amin’i Davida tao amin’ny zohin’i Hadolàma, fa nisy tafiky ny Filistinina nitoby tao an-dohasahan’ny Refaîta.
Indray andro dia nandalo tao Sonema i Elisà. Nisy vehivavy mpanankarena iray tao izay nanery azy mafy mba hisakafo ao aminy. Ary isaky ny mandalo eo izy, dia nivily ao aminy mba hisakafo.
Izay miaraka amin’ny hendry dia hihahendry; fa izay misakaiza amin’ny adala kosa hiharatsy.
Ialao ny hakelezan-tsaina, dia ho velona ianareo! ka mizora amin’ny lalan’ny fahaiza-manavaka.»
Mpanafika handresy anareo no halefan’ny TOMPO aminareo, ry mponina ao Maresà, ka hisitrika hatrany an-johin’i Hadolama ireo filoha tabihan’i Israely.
Ary niainga i Jahela mba hitsena an’i Siserà ka nanao taminy hoe: –Midira, tompoko, midira ato amiko fa aza matahotra! Dia niditra tao an-dainy izy ka norakofany bodofotsy.
Niala avy teo i Davida, dia nandositra niery tao an-johin’i Hadolama. Raha nahafantatra izany ny rahalahiny sy ny fianakavian-drainy rehetra, dia nirohotra nankany aminy avokoa.